Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

 Maty voatifitry ny zandary i Doris nandritra ny fisamborana azy tao Tsahavita, fokontany Hanahana, distrikan’i Vohibinany, ny zoma teo. Nomelohin’ny fitsarana, sazy 20 taona an-tranomaizina noho ny famonoana olona nataony, saingy nandositra ny fonjan’Ambalatavoahany Toamasina nitazomana azy izy, ny 9 novambra 2012. Nitohy hatrany ny fikarohana ity jiolahy ity taorian’izay. Ny 1 janoary 2016 lasa teo, nandratra olona tamin’ny zava-maranitra anefa izy tamin’io fotoana io. Tonga hisambotra azy ny zandary avy ao Anivorano nefa saika hanindrona antsy ireo zandary izy ka voatifitra.

 

Les commentaires sont fermées.