Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cnaps sy Dinec : filankevitry ny sekoly tany Farafangana

Cnaps sy Dinec : filankevitry ny sekoly tany Farafangana

Nitohy ny 3-5 febrary teo, tany Farafangana, ny fiaraha-miasan’ny Tahirim-pirenena ho an’ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) sy ny Fitantanana ny sekoly katolika (Dinec), hampahafantarana ny fiahiana ara-tsosialy, ho an’ny taona 2016. Voakasik’izany ny diosezy 10, nampahafantarana ny lalàna mifehy asa sy ny fiahiana ara-tsosialy, ny fanampiana omen’ny Cnaps ny mpiasa sy ny fiankaviany, ny fandraisana an-tanana ny voan’ny loza am-perinasa, ny fisotroan-dronono ho an’ny zokiolona, sns. Nambaran-dRasoanaivo Didier, talen’ny Fikarohana sy ny fenitra ao amin’ny Cnaps, fa fitaratra ho an’ny sekoly rehetra eto Madagasikara izao fiaraha-miasa amin’ny sekoly katolika izao.

Nanao antso avo hamoahan’ny fanjakana ny lalàna vaovao mifehy ny fiahiana ara-tsosialy ny mompera Ranaivoson Jules, sekretera jeneralin’ny Dinec. Nambarany fa antoka manatsara ny kalitaon’ny fampianarana ny fiahiana sy fitsinjovana ny mpanabe. Misy amin’ireo mpampiasa sasany, tsy mahafantatra ny adidiny.

Niray feo ny isan’ny niofana, i Palegion, talen-tsekoly any Vohipeno, sy ny masera Goretti, talen-tsekoly any ambanivohitr’i Farafangana, fa “tsy tokony ho sakana ny tsy ampidirana ny mpampianatra tsy ho mpikambana ao amin’ny Cnaps. Sady misitraka ny zony satria iaraha-mahita ny hakelin’ny karama any ambanivohitra”.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.