Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taratry ny kanto

Silo, etsy amin’ny Piment Café Behoririka
Hiverina an-tsehatra indray ny trio Silo. Rehefa nijanona volana maromaro, manome fotoana ireo mpankafy etsy amin’ny Piment Café Behoririka indray i Silo anio, manomboka amin’ny 9 ora alina, Christelle Ratri ary Cedrick. Noho i Christelle tera-bao, sy i Silo tsy teto an-tanindrazana no tena anton’ny fitsaharana fohy. Ankoatra ireo hira fanaon’ny trio Silo, haneho ireo hira vaovaony ihany koa i Silo mandritra io fotoana io.

Hanamarika ny faha-5 taony ny Is’Art
“Fet’Art” no nampisalorana ny hetsika izay hanamarihana ny faha-5 taon’ny Is’Art Galerie etsy Ampasanimalo, manomboka amin’ny 8 ora alina. Samy hanasongadina ny talentany ireo mpanakanto amin’ny sehatra samihafa. Ankilany, ireo mpanakanto eo amin’ny hairaha ara endrika aman-bika, ahitana an-dry Eric Rakoto, Simon Taki, Maherisoa, Temandrota, Taka Andrianavalona ary Tahiana Rakotoarivony. Andaniny kosa, ireo mpanakanto mpisehatra toa an-dry Oloblaky, Christelle Ratri, Bera & Ziad, Caylah & Men, Aléa des possible, Rootskalo, Angaroa ary Kaporal.
Nangonin’i Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.