Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : ny lalàna tsy dinganin’ny fihavanana

Saro-pady ny fiarahamonina, ny fifandraisana ao anatiny dia tsy afaka ankinina fotsiny amin’ny fihavanana. Na ny fihavanana aza anie manana ny fepetra izay tsy maintsy hajaina, nefa moa tsy voasoratra ireo didy sy adidy mifehy ny fihavanana ka samy misintona ny anaran’ny fihavanana entina handresen-dahatra ahazoana rariny. Miova ny toetr’andro, na inona na inona sehatra iaraha-monina, na eto anivon’ny firenena izany na eny amin’ny sehatry ny fokonolona, na any anaty fikambanana dia napetraka ny didy, lalàna, fitsipika isan’ambaratonga mba isorohana indrindra ny korontana ateraky ny fanaovan’ny tsirairay izay saim-pantany. Tsy mivaona amin’izany ny antoko pôlitika. Ny fampiharana ny didy sy lalàna moa no ahatsapana ny halalin’ny fahavontosam-pinoana amin’izany hoe tany tan-dalàna izany. Raha misy manivaka na mihoa-pefy ka faizina araky ny voasoratra tsy manipaka ny fahendren’ny Ntaolo ny famaizana, ahoana moa ny voalazan’ny fiteny mikasika ny reny izay kaikerin’ny zaza ny nonony ?

Fahendrena angamba izany hoe fiala-nenina izany eo amin’ ny fikarohana vahaolana, nefa amin’izao fihazakazaky ny fotoana izao dia matetika fotoam-bery fotsiny toy ny fanenjeham-balala maina andro.

Raha teraka ny disadisa toa ireo miezaka mandamina indray no lasa manatahaka olona manana fahadisoana ka tazana toa mandady rariny, dia manenjika aloka hatrany mikapa tsy mampitondra fery.

Izany no fitazana ny adilahy ao amin’ny antoko Leader-Fanilo. Diso mazava loatra fa nandika ny sata sy ny fitsipika ireo vondron’olom-bitsy mitetika fanakorontanana mba ahazoany mifehy ilay antoko rehefa tsapa fa miarina avy amin’ny maha-kamboty an’i Herizo azy. Ireto olona ireto anie dia tsy tazana niditra an-tsehatra na tamina filatsahan-ko fidiana na tamina fanohanana rehefa nisy ny fifidianana, misy aza amin’ireo gisa-lahy lavalela ireo izay tsy nanefa akory efa an-taonany maro ny fandoavana ny latsakemboka adidy voalohan’ny mpikambana. Tsy manana zo amin’izany fanonganana izany, ary tsy misy ao anatin’ny fitsipika izany kômity vonjy maika izany, ny famoromporonana fitsipika ivelan’ny lalàna mifehy no atao hoe “coup d’Etat”. Fa ity tranga ity dia ambony latabatra, any ifotony any dia tsy manana sakaiza miraiki-po aminy ireo mikasa hanao sambo-belona io antoko io. Ny hafahafa noho izay aza no miseho, endratrendratra ireo tena sakaizan’ny Leader ka miandry ireo mpitarika tena iza mba hitsidika azy fa izy dia mitsipaka ny birao sandoka na ankandasitra.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.