Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : arahaba fahavaratra

Ela ny ela tafajoro indray ity ny Antenimieran-doholona atao hoe « Sénat ». Nandritra ny Tetezamita moa dia teo ihany izy io fa nomena anarana hafa, CST, toy ny Antenimieram-pirenena izay voahosotra ho CT. Efa mivadika izao ny pejy, fa samy olona voafidy na voatendry araky ny fomba napetraky ny Lalàmpanorenana ny mpikambana ao amin’ireo antenimiera roa tonta ireo izay parlemanta no anarana fanakambanana azy, ary ny adidiny voalohany dia ny fandinihina, fiandin-kevitra sy fandaniana ny lalàna.

Tsy atao hiverenana intsony ny resaka momba ny fifidianana teo, tamin’ny fanaovana safidy ireo senatera, tsy atao resaka entina handavana ny efa, mijoro ny « Sénat », basy! Nefa kosa tsy maintsy ifandinihina lalina mba intsinjovana ny hoavy. Raha rapa-dango toy ireny no mitohy, mety hisy tokoa ny filàna fampihavanam-pirenena ao aoriana kely, hitritra ny eo amin’ny fiarahamonina, hitombo ny fery eo amin’ny rafi-panjakana, ho ravarava ny soatoavina repoblikanina, hihepakepaka ilay ankoso-bolamena maha-demôkrasia, hanganohano na ho maimbo ilay fery tsy tsara afina ao ambanin’ny takopery voatonona ho tany tan-dalàna. Ampy izay!!!

Ekena ny hoe sarotra leferina ny hoavy toy ireny! Izany fahasahiana ê! Heno sahady ny valiny “akory ataonareo? Aty aminay ny baolina”. Rehefa izay anie ny fitantanana dia tsy misy fomba afa-tsy ny fampitombona ny fanagejana hatrany, mandra-pivarina any amin’ny jadona. Izany rehetra izany moa dia efa nandalovan’ny vahoaka samy afaka milaza ny fomba nahitany ny fetra ahazakan’ny mponina ny didi-kofehy lehibe sy ny fahaizan’ny sasany manararaotra amporisika vodrombondron’olona haneho hatezeram-bahoaka izay miafara matetika amina korontam-pirenena atao hoe krizy. Io moa dia mandrora mitsilany hatrany, ny vahoaka no mitondra faisana voalohany, ny tena mpitarika kosa dia afa-maina. Ahoana? Afa-maina? Tsia! Afaka matavy hoe!

Na efa tsapa fa leon’ny fiverimberenan’ny toe-draharaha toy izany aza ny mponina, sarotra no hilokaloka fa tsy hiseho intsony ny korontana ateraky ny fahasahiranana izay iampangan’ny olona ny fitiavan-tena eo amin’ny fitondrana no tena fositra omam-pary.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.