Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mampanahy ny toetr’andro : mety hisy rivodoza handalo amin’ny herinandro ho avy

Vinavinain’ny mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby ny mety hisian’ny fiforonan’ny rivodoza ao amin’ny ranomasimbe Indiana amin’io herinandro io. Ahiana ny fiantraikan’izany amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy raha ny vinavina hatrany.

Ho an’ireo izay mikasa ny hankalaza ny fetin’ny mpifankatia any amin’iny faritra Atsinanana iny araka izany dia mila miomana amin’ny orambe sy ny rivotra mifofo vokatr’io rivodoza hihaodihaody ao an-dranomasina io.

Mikasika ny toetr’andro any amin’ny tapany avaratry ny Nosy kosa, mbola mitohy ny orana. Mitohy ihany koa ny filazana loza mihatra ho an’ny faritra Boeny, Sofia, Alaotra Mangoro ary ny distrikan’i Betsiboka.

Tsy ahiana ny hivadihan’ny andro ratsy ho rivodoza raha ny filazan’ny mpamantatra ny toetr’andro. Hihalevona io andian-drahona narahina tafio-drivotra io manomboka anio hatramin’ny faran’ny herinandro.

Efa betsaka kosa ny fahavoazana nateraky ny orambe nandritra ny andro maro tany avaratra sy andrefan’ny Nosy iny. Tapaka ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga hatry ny omaly. Hahitana fihotsahan’ny tany eo amin’ny kaominin’i Berivotra, distrikan’i Maevatanana.

Misy ihany koa ampahana arabe mihitsoka tsy hahafahan’ny fiara vaventy mandeha intsony ka mihitsoka avokoa ny entam-barotra rehetra. Misy anefa ny lalan-tany azo hanivahana hahafahan’ny fiara tsy mataho-dalana mandeha tsara.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.