Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Hozaraina amin’ny zoma izao ny taratasy fifanarahana momba ny asa eo amin’ny fanjakana (minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena) sy ny mpampianatra voaray ho mpiasam-panjakana ho an’ny andiany faharoa. Ho an’ny Dren Analamanga ao anatin’ny Cisco valo, 1 100 ny fifanarahana atolotra ny mpampianatra eny amin’ny lycée Jules Ferry. Efa naharay ny azy avokoa ny mpampianatra eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Ankoatra ny fizarana taratasy fifanarahana momba ny asa, hotokanana amin’io andro io koa ny fanavaozana natao eo anivon’ny lycée Jules Ferry. Rehefa vita ny fizarana ny antontan-taratasy rehetra, handray ny asany ireo mpampianatra hanampy ireo efa am-perinasa. Hikarakara ny fandraisana ny andiany fahatelo ny tomponandraikitra ao amin’ny minisitera, araka ny vaovao .

Les commentaires sont fermées.