Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faritra Ramisar : tsy ampy ny fitantanana maharitra

Faritra Ramisar : tsy ampy ny fitantanana maharitra

Nankalazaina, omaly 2 febroary ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra mando. Tafiditra ao anatin’izany ireo nosokajina faritra Ramsar, ahitana 10 eto Madagasikara, mitotaly 1,189 tapitrisa ha. Nambaran’ny tale Faritra arovana an-tanety (DAPT) ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny ala, Ramiandrarivo Liva, fa tanjona ny hampitomboana ireo faritra Ramsar ireo ho avo roa heny ato anatin’ny telo taona, ampiana 15 hafa.

Nahatratra 25 ny toerana nahazo sata Faritra arovana vaovao (NAP) raikitra, nanomboka ny mey 2015. Nilaza ny tale Ramiandrarivo Liva, fa maro amin’izy ireo ny ahitana faritra mando. Tsy ampy ny paikady hitantanana maharitra azy ireny, nefa ahitana otrikarena voajanahary maro sy azon’ny mponina hanaovana velon-tena. Toy ny jono, ny tanimbary, ny akora fanorenan-trano, ny akora hanaovana taozavatra, ny fitaterana, ny sakafo, ny famatsian-drano, sns.

Potika ny farihin’Alaotra

Toy ny farihin’Alaotra, anisan’ny faritra Ramsar, miharitra ny rano, avadiky ny mponina tanimbary ny zetra, toeram-ponenan’ny gidro bandro, mihena ny hazandrano, sns. Vahaolana ny  fiaraha-mientan’ny rehetra hametrahana paikady hikajiana maharitra ny faritra toy ireny.

Faritra mando ny 40%-n’ny eto ambonin’ny tany. Tsy mitsaha-mihena anefa izany (-1,5% isan-taona) tato anatin’ny 40 taona, ka tombanana ho 2 miliara ny olombelona hanano sarotra ny fahazoana rano fisotro.

Njaka A.

Ireo faritra Ramsar 10 eto Madagasikara: 1/ Ny farihy Tsimanampetsotse (any atsimo); 2/ Ny farihy Bedo (atsimo) ; 3/ Ny farihy efatra any Manambolomaty-Antsalova sy ny faritra mando any Mandrozo (samy any andrefana) ; 4/ Ny farihin’Alaotra ; 5/ Ny farihy Kinkony (any Mitsinjo Mahajanga) ; 6/ Ny farihin’i Torotorofotsy ; 7/ Ny reniranon’i Nosivolo (Marolambo Toamasina) ; 8/ Ny farihin’i Tsarasaotra (Antananarivo) ; 9/ Ny farihin’Ambondro (Morondava) ; 10/ Ny farihin’i Sirave (Morondava).

Les commentaires sont fermées.