Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Boriborintany faha-IV Antananarivo : tapaka ny lalana miakatra eny Soanierana

Boriborintany faha-IV Antananarivo : tapaka ny lalana miakatra eny Soanierana

Efa ho iray volana izao, tapaka ny lalana iray miakatra eny Soanierana, mifandray amin’ny lalana Andrefan’Ambohijanahary, boriborintany faha-IV eto Antananarivo Renivohitra. Tsy fantatra marina, inona ny ataon’ny kaominina amin’izany izay tompon’andraikitra voalohany amin’io lalana io ; amin’izao fotoana izao koa miantoka ny fanamboarana ny fikojakojana ny lalana 32 km eto an-dRenivohitra ny minisiteran’ny Asa vaventy.

Hatramin’izao anefa, tsy misy mikitika mihitsy io lalana io. Na filazana avy amin’ny fanjakana, eny ambany sy eo ambony, manambara fa tapaka io lalana io, tsy misy. Vato fotsiny no misy mametraka eo misakana ny fiara tsy handalo. Ny loza manambana anefa, atahorana hihotsaka tanteraka ny pavé ka atahorana sao hanaraka izany koa ireo trano eo amin’ny manodidina. Ny marina koa angamba, lalana tsy fandalovan’ny manam-pahefana io ka tsy mahataitra ny tompon’ny fahefana. Ny any Tsimbazaza fandalovan’ireo filohan’ny andriampanjakana matetika, ka amboarina amin’izao fotoana izao.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.