Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vaovao tambatra

 Mandeha ny fanentsemana ireo lavadavaka amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN 7). Tanjon’ny minisiteran’ny Asa vaventy ny hampizotra ara-dalàna ity lalana ity, mampitohy an’Antananarivo-Toliara. Nomarihin’ny minisitra Ratsiraka Roland koa fa ela loatra sy maro ny dingana arahina amin’ny fivoahan’ny famatsiam-bola vahiny amin’ny fanamboaran-dalana.

Mandalo ao Toamasina ny sambo mpiandry morontsiraka indianina, Samarth. Miantsona any izy ny 1-4 febroary, anisan’ny dia voalohany nataon’ity sambo vaovao ity, nanomboka ny 10 novambra teo. Mahatratra 105 m ny halavany, milanja 2.457 t, manana maotera roa mandeha amin’ny gazoala 9.100 kw, manana hafainganam-pandeha 26 noeuds.

Les commentaires sont fermées.