Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

ONG Graine de vie  : mamokatra zanakazo 300.000 isan-taona

ONG Graine de vie  : mamokatra zanakazo 300.000 isan-taona

 Miparitaka manerana an’i Madagasikara ny fikambanana tsy miankina ONG Graine de vie. Mampiavaka ihany koa ny fanomezana maimaimpoana ny zanakazo vokariny ho an’ny rehetra.

Famerenana an’i Madagasikara ho tontolo maitso! Io ny tanjon’ny fikambanana ONG Graine de vie, manana sampana eto Madagasikara. Fito taona tonga eto amintsika ity fikambanana iraisam-pirenena ity, nanomboka tany amin’ny faritra Diana sy Sava, fa tato anatin’ny telo taona vao nitsangana ny eto Antananarivo. Nambaran’ny teknisianina ao, Rabearisoa Dera, fa nanampy azy ireo nanome tany hambolena zanakazo ny mompera Pedro, eny Alatsinainy Betsizaraina. Anisan’ny fepetra nangatahiny ny fampiasana ny olona avy ao amin’ny tobiny, indrindra ny vehivavy. Araka izany, manodidina ny 20 ny vehivavy miasa ao amin’ny Graine de vie, miampy lehilahy vitsivitsy.

Karazan-kazo maherin’ny 50

Tsy nitsaha-nitombo ny vokatra tao anatin’izay telo taona izay. Nahatratra 200.000 ny zanakazo novokarina ny taona 2013, niakatra 250.000 ny taona 2014 ary niisa 300.000 ny taona 2015 teo sy mandritra izao fotoam-pambolen-kazo izao. Manodidina ny 20 ny karazan-kazo vokarina, ary efa maherin’ny 50 ankehitriny. Ahitana, hazo fihinamboa (manga, voasary, corossol, ampalibe, …) , fampihaingoana tanàna, hazoala sy tsy misy afa-tsy eto Madagasikara (voamboana, hintsy, …), fakana ilomenaka ilaina amin’ny fanafody, na fikarakarana vatana sy tarehy (ravintsara, kininina oliva,….).

Omena maimaimpoana

Tsy eny Betsizaraina ihany ny toerana hamokaran’ity fikambanana ity zanakazo, fa efa miparitaka any amin’ny toerana 74 manerana ny Nosy. Mampiavaka azy ireo, omena maimamimpoana ny zanakazo. Manampy sy manohana amin’ny fambolena ny hazo ny teknisianina, saingy hiantohan’ny mpanjifa kosa izy ireny, manomboka amin’ny fikarakarana ny lavaka, ny zezika ilaina, ny toetry ny tany, ny fotoana fambolena, sns.

Karazany maro ny efa nahazo tombontsoa tao amin’ny Graine de vie, toy ny olon-tsotra, ny sekoly, ny kaominina, ny sampandraharaham-panjakana, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.