Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

BFV-SG : nankasitrahana ny mpiasa 65

Natao teny Andoharanofotsy, ny 30 janoary teo ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao, ao amin’ny banky BFV-SG. Notanterahina tamin’io fotoana io koa, ny fanomezana mari-boninahitra ny mpiasa mendrika. Nahatratra 65 izy ireo, ka nahazo Officier de l’ordre national ny 11 ; Chevalier de l’ordre national 19 ; Officier de l’ordre de mérite 6 ; chevalier de l’ordre du mérite 7 ; Médaille d’argent & bronze 8 ; Médaille d’argent 11 ; médaille de bronze 3.

Raha ny zava-bita 2015, nitohy ny fanatsarana ny forodrafitrasa sy ny fanavaozana ny fitantanana efa natao tany aloha, hampiroboroboana ny fihariana. Tao anatin’izany ny fametrahana ny toerana fanomezam-bola aotomarika (Dab) 14 ; toerana ho an’ny mpanjifa manokana eny Ivandry, masoivoho vaovao any Mahazo, Ihosy, Antsohihy, fanatsarana ny masoivoho maherin’ny 30 sy ny foibe Antaninarenina. Hitohy amin’ity taona ity ireo paikady ireo.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.