Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra  

Nitondra fanazavana momba ny fitoriana sy ny vaovao navoaka momba azy Ratsimbazafy Didi, filoha lefitry ny holafitry ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny biraon’ny holafitra, Ambohihady. Nilaza izy fa tsy mitombina ny fanendrikendrehana azy ho tompon’antoka tamin’ny fahamaizan’ny IBC. “Mazava ny filazan’ny raki-tsoratry ny mpitandro filaminana sy ny mpamonjy voina fa vokatry ny fipoahana’ny herinaratra tao amin’ny Sicma no nahatonga ny firehetana fa tsy tao amin’ny IBC. Manana porofo izahay”, hoy ny fanazavan’i Didi. Nikasa ny hitory noho ny fanalam-baraka sy ny tsy fanajana ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana ary ny tsy maha mbola meloka ity farany. Raha ny vaovao farany anefa, nisy ny fifanatonana teo amin’ny toa tonta, ary niravona ihany ny raharaha.

Les commentaires sont fermées.