Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zaka tsara : vahoaka tsy marin-toerana  

Ahoana ihany ny amin’ny sosialim-bahoaka? Fanatsarana mivantana ny fiainana eny ifotony… Aleo hitsara ny vahoaka, raha misitraka inona amin’izay ataon’ny mpitondra na tsia; eny, na toy inona filaza etsy sy eroa.

Tsy vitan’ny fandresen-dahatra io, na fanamarinan-tena. Tena mipaka mivantana any amin’ny vahoaka ifotony ve ny fandriampahalemana, famoronana asa, fanalefahana ny vidim-piainana na fiakaran’ny fahefa-mividy… ?

Raha mbola tsy misy vokany mivaingana izany, fa hoe tsy mora ary tsy vetivety ny manao zavatra: mba miara-mihafy sy mizaka ny mafy amin’ny vahoaka ve ny mpitondra? Misy ny mihabe takolaka sy hatoka, malai-mihetsika sy hisahirana.

Tsy mahazo fahefana ny mpitondra, raha tsy ny vahoaka. Nefa atao ankilabao sy an-jorom-bala… Ho marin-toerana sy ho tony ny fitondrana, raha mbola ao anaty fahasahiranan-dava tsy misy fiovany ny valalabemandry?

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.