Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : mitohy ny olana, mahazo loza ny mpanao gazety

Toamasina : mitohy ny olana, mahazo loza ny mpanao gazety

Zandary iray nandrahona hanapotika “camera“-na mpanao gazety tany Toamasina, omaly.
Voalaza fa mpanao gazety nanao ny asany nandritra ny zava-misy any an-toerana no saika niharan’ny herisetran’izy io teo anoloan’ny lapan’ny Tanàna. Niray hina ny mpanao gazety teo anoloan’izany ka tsy sahy ilay mpitandro filaminana.

Rakotra mpitandro filaminana tany an-toerana noho ny hetsika nataon’ireo mpiasan’ny kaominina. Nivezivezy teny izy ireo, ary nandeha tamin’ny fiara 4×4 mihitsy. Nanao ny asany ny mpanao gazety ary izao niafara tamin’ny saika fanimbana fitaovana izao.
Ankilan’izany, mitohy ny fihetsiketsehana eo anoloan’ny lapan’ny Tanàna Toamasina ataon’ireo mpiasan’ny kaominina. Manao fitakiana momba ny resa-bola sy ny fomba fitantanana ireo olona ireo. Mahazo tsiny tanteraka ny ben’ny Tanàna any an-toerana amin’ny tsy fivahan’ity olana ity hatramin’izao. Milaza ny hanohy ny fitakiany hatrany ireo mpiasa anjatony ireo, izay tsy fantatra intsony izay tena takiny na inona na inona. Olana saro-bahana izy ity no mihazohazo tsy mety tapitra efa hatramin’ny herintaona.

Sajo

Les commentaires sont fermées.