Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Radanoara Julien : “Tsy azo ny vola raha tsy tanteraka ireo fepetran’ny iraisam-pirenena”

Radanoara Julien : “Tsy azo ny vola raha tsy tanteraka ireo fepetran’ny iraisam-pirenena”

Ahoana ihany ny amin’ny famatsiam-bolan’ny fiombonambe iraisam-pirenena? Toy ny avy amin’ny Vondrona eoropeanina, ohatra. Maneho ny fijeriny ny mpahay fifandraisana iraisam-pirenena, Radanoara Julien: “Raha tsy tanteraky ny tena ny iray amin’ireo fepetran’ny fiombonambe iraisam-pirenena, tsy mahazo vola.” Dinidinika…

 

Gazety Taratra (*): Ahoana ny amin’ny iraky ny Vondrona afrikanina manara-maso sy manao tombana ny fanatanterahana ny tondrozotra sy ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara?

 

Mbola tsy miova ny hevitro sy resako hatramin’izay: mieritreritra isika fa soniavina fahatany toy ny eto Madagasikara ny fifanarahana politika, na ny atao amin’ny fitapitaka sy ny toetra ratsy; avy eo, vitavita ho azy.

Amin’ny fiombonambe iraisam-pirenena: ny tena zava-dehibe, ny toetra tsara amin’ny fanaovan-tsonia. Ahoana ny hanatanterahana azy fa hisy vokany io, indrindra ao Afrika izay misy korontana isan-karazany. Raha avelavelan-dry zareo amin’izao ny tondrozotran’i Madagasikara fa tsy tanteraka hatramin’ny farany: hisy hanao toy izany koa atsy Afrika, izay misy adiady. Samy ho vitavita ho azy izany, nefa tsy tanteraka hatramin’ny farany.

* Ahoana izao izay hoe famitana ny tondrozotra izay?

Ampahatsiahiviko, voalazan’ny tondrozotra ny famoahana ny gadra politika rehetra, famohana ny haino aman-jery nakatona rehetra, fanafahana an-dRavalomanana tsy misy fepetra, fanonerana ireo tra-pahavoazana noho ny krizy. Firy amin’ireo no tanteratsika? Manara-maso an’ireo ny firenena afrikanina. Sao mieritreritra isika fa vitantsika irery eto Madagasikara izany?

Raha misy tsy tanteraka ireo, ho voalaza fa hay vava fotsiny ny an’ny fiombonambe iraisam-pirenena na ny Vondrona afrikanina. Tsy azo antoka na tsy itokisana intsony eo imason’ny firenena afrikanina sy ny firenen-drehetra izy ireo, raha tsy tanteraka hatramin’ny farany ny zavatra toy izany. Na ny Amerikanina aza tsy hanaiky an’io, raha tsy vita hatramin’ny farany. Ao anatiny ny fampihavanam-pirenena.

* Ahoana izany ny famatsiam-bola Fed faha-11? 518 tapitrisa euros avy amin’ny Vondrona eoropeanina, vita sonia tany Bruxelles ny 23 novambra 2015.

–  Izay nolazaiko teo izay, manome vola izy… Raha ny tokony ho izy aza, na raha tsy hanome izy: tsy mahazo isika. Satria araka ny Fifanarahana Cotonou, eo ny fanaovana fifampidinihana politika. Natao intelo izay teto amintsika. Misy dikany izany. I Madagasikara ireny no nanaovana fifampidinihana politika naverina intelo.

Nanao sonia isika ao anatin’ny Fifanarahana Cotonou hoe fitondrana tsara tantana, ady amin’ny kolikoly, fanjakana tan-dalàna, fanajana ny zon’olombelona, fanajana ny foto-kevitra demokratika. Raha tsy tanteraka ny iray amin’ireo, tsy mahazo vola…

Nefa mbola nampanantenain-dry zareo hoe homena vola isika, fa tsy avelany fotsiny amin’izao. Fantany tsara: tsy vitantsika antsakany sy andavany ireo fepetra takina ireo, fa tereny hiditra amin’izany isika.

Raha misy korontana eto Madagasikara, mbola handany vola bebe kokoa noho izao ry zareo handamina ny eto. Ary ny atahorany indrindra: hiparitaka aty amin’ny faritra misy antsika amin’ireo firenena manodidina an’i Madagasikara izany.

* Ahoana ny mety ho endrik’izay ?

 

– Mbola averiko ihany ny ohatra hoe: raha misy korontana eto na fahantrana be, jereo ny fifindra-monina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy maintsy hiparitaka isika Malagasy 22 tapitrisa. Raha betsaka, 500 000 ny mponina atsy Kaomoro. Tahatahaka izay koa ny atsy Maorisy, La Réunion, Seychelles. Koa raha misy korontana na fahantrana be eto, ohatra: be ny Malagasy handeha amin’ireo tany ireo, hanakorontana ny firenena manodidina. Tsy hanaiky an’izany ry zareo.

Koa na tsy vita hatramin’ny farany aza ny Fifanarahana Cotonou, hanome vola ry zareo. Nefa tsy hipetraka amin’izao… Alefany amin’ny ampahany hatrany izany. Ny antony, tiany hanao ezaka bebe kokoa isika ary tsy matoky loatra ny zava-miseho eto Madagasikara ankehitriny ry zareo. Mahatonga azy hanome vola any amin’ny ONG izay.

* Inona izany no tokony hataon’ny fitondram-panjakana malagasy amin’izany rehetra izany?

– Misy aloha ny toe-tsaina lomorina eto amintsika: tia kely, mifamitapitaka, manao tsolotra kely, na makamaka vola kely… Efa zatra sy voataiza tamin’izany isika nanomboka tamin’ny revolisiona sosialista. Efa lasa fomba izany eto Madagasikara.

Na manana toe-tsaina sy finiavana politika aza ny filohan’ny Repoblika, manao sy mamely avokoa ny aty ambany rehetra. Tsy afa-kanara-maso isaky ny ambaratonga izy. Fa isaky ny ambaratonga, tokony hisy komity mpiambina: manadio sy manara-maso ny zava-drehetra. Raha tsy hanao an’izay ny filohan’ny Repoblika, lasan-ko vavany fotsiny… Lasa hifoteran’ny zava-drehetra izy. Tsy maintsy misy manara-maso izay olona fantatra fa manao fahamarinana isaky ny sampandraharaha, ohatra. Toy izany ny andramena: tsy ho araka, raha tsy misy tena manara-maso ny fandehany rehetra, midina ifotony…

Nangonin’i R. Nd.

Les commentaires sont fermées.