Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray andro vao hita ny razana : tovolahy iray maty an-drano tao Ikopa

Indray andro vao hita ny razana : tovolahy iray maty an-drano tao Ikopa

Tovolahy iray manodidina ny 16 taona eo no latsaka tao anaty rano teny amin’ny reniranon’Ikopa, ambanin’ny tetezana Anosizato, afakomaly hariva. Omaly maraina vao hita ny razana, rehefa nanao ny fikarohana ny mpamonjy voina. Araka ny fanazavana, niampita teo amin’ny renirano izy io, afakomaly hariva. Sendra ny lalina anefa izy ka natelin’ny rano. “Roa lahy ireo niaraka, nihazakazaka toy ny nisy nanenjika, ny iray (ilay maty) nitsambikina tao ambany tao, ary izy natelin’ny rano. Ny iray nanohy ny lalany”, hoy ny olona. Nisy nahatazana ny toe-draharaha ka niantso ny manodidina. Omaly maraina vao nipoitra ny razana. Samy variana ny olona teny an-toerana ny amin’ny tsy nahitana ny razana ny talata hariva teo.

Raha ny fanazavan’ny mpamonjy voina, mahery be ny rano ary lalina. Mety ho nisaringotra tamin’ny vato tany ambany tany ilay tovolahy ka izay no tsy nahitana azy. Ahitana lavakabe maro ihany koa ny ranon’Ikopa noho ny fanaovam-biriky, fakana fasika rehefa maintany ka midina be ny rano. Mitera-doza toy izao anefa izany rehefa miakatra ny rano, na andro fahavaratra. Manentana ny rehetra ny manampahefana mba samy hitandrina amin’ny fotoana fiavian’ny orana tahaka izao, satria mety hampidi-doza hatrany izany. Tahaka izany koa any amin’ireo faritra miaka-drano sy fanaovam-biriky. Mampidi-doza avokoa ireny.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.