Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filankevitry ny ministra : nesorina ny talen’ny Samva

Filankevitry ny ministra : nesorina ny talen’ny Samva

 Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra, omaly teny Iavoloha, ny nanesorana ny talen’ny Samva, Ratsimbazafy Serge.

       Tsy mbola voafaritra kosa ny olona notendrena hisolo ny toerany.

Anisan’ny niteraka resabe teto an-dRenivohitra hatramin’ny faran’ny taona teo noho mankaty ny resaka fako, nisavovona manerana ny tanàna. Nifanilihana andraikitra tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izany. « Anjaranay ny manadio ary mijanona eo fa anjaran’ny Samva kosa ny mandroaka ny fako. Efa voaloanay ara-potoana hatrany ny haba tokony haloa amin’izany (Rhom)  », hoy ny eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàna, tamin’ireny fotoana ireny.

Sampan-draharaha iray eo anivon’ny minisiteran’ny Rano ny Samva ka tsy afa-bela koa ny minisitra. Voatery niditra an-tsehatra nanampy tamin’ny fandraofana ny fako izy ireo.    Midika izany fa hanao dingana lehibe ny ho mpitantana vaovao… tsy hiverenan’ny tahaka izao intsony ?

Synèse R.

Une réponse à "Filankevitry ny ministra : nesorina ny talen’ny Samva"

  1. beloha  28/01/2016 à 15:59

    Rariny! tena tsy ao amin’ny talentany ilay fanadiovana tanàna

Les commentaires sont fermées.