Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fetim-bahiny : mpanao rapa-dango ny tanora malagasy

Fetim-bahiny : mpanao rapa-dango ny tanora malagasy

Tsy tokana fa maro ! Santionany ihany ny « Halloween », ho avy tsy ho ela ny « Fetin’ny mpifankatia ». Roboka manao rapa-dango azy ireny ny tanorantsika. Mihazakazaka manatanteraka hetsika izay heveriny fa mifanandrify amin’ireo fetim-bahiny ireo izay afaka manao izany. Fikambanana, orinasa, mpikarakara hetsika kolontsaina, olon-tsotra, samy manindrahindra ireny fetim-bahiny ireny avokoa… Somadodoka sy hiedinedina ery ny tanora malagasy !

Amin’ny lafiny iray, tsy omen-tsiny izy ireo satria tena difotry ny tsy fahalalana. Saingy, amin’ny lafiny hafa indray, tsy ampy fandinihana intsony ny tanora malagasy ankehitriny. Ny antony, na ny teo aloha (ray aman-dreny, mpanabe, mpitondra isan’ambaratongany, sns) no tsy nahatafita izay tokony hampitaina amin’ny fomba malagasy na ny tanorantsika mihitsy no tsy afa-mandray azy ireny intsony fa donton’ny rapa-dango sy menatra ny maha izy ny tena.

Anisan’ny hahazoan’ny firenena iray fandrosoana ny fananana tanora mahay mampifanaraka ny kolontsaina vahiny amin’ny kolontsain’ny taniny.

HaRy Razafindrakoto

Une réponse à "Fetim-bahiny : mpanao rapa-dango ny tanora malagasy"

  1. Tsopiaina  28/01/2016 à 10:47

    Marina tokoa izany! Saingy inona moa no manakana ny Ray amandReny tsy hampahafantatra ny zanany ny tena mahamalagasy mialoha ny ahalalany ny an’ny hafa? ohatra azo raisina ny taombaovao malagasy : inona no manakana ny Fanjakana tsy hanao azy io ho toy ny fety lehibe ho antsika malagasy rehetra ka hanokanana andro tsy fiasàna raha ilaina ahalalan’ny taranaka azy mandrakizay?

Les commentaires sont fermées.