Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

 « Folk trad » sy vazo miteny : 30 taona ny tarika Filah

 « Folk trad » sy vazo miteny : 30 taona ny tarika Filah

Raha olombelona, ao anatin’ny fahatanorany tsara ny tarika Filah. Nanaiky i Fils fa misy ny zavatra vita fa mbola maro ihany koa ny hatrehina. Hanamarika ny faha-30 taony ity tarika ity ny voalohandohan’ny volana avrily izao. Ankoatra ny fampisehoana sy fiarahana amin’ny mpankafy, fanamby napetrak’i Fils ny hamoaka rakikira sy rakitsary. « Tsy voatery ho feno ny kapila mangirana fa na sanganasa iray aza vita, avy hatrany dia havoaka ho hitan’ny mpankafy izany », hoy hatrany ity mpanakanto anisan’ny nanangana ny tarika Filah hatrany am-boalohany ity. Nambarany fa : « mandritra io lanonana fanamarihana ny faha-30 taona io, efa hisy hira vaovao hivoaka ». Na izany aza, raha 10 ny hira ao anatin’ny rakikira iray, ny enina amin’ireo, hira taloha kosa ny efatra. Nomarihin’i Fils fa marobe ireo hira efa voaforona fa tsy mbola tafapaka any amin’ny mpankafy. « Mbola vaovao amin’ny sofin’ny mpihaino izy ireny », hoy izy.

Anisan’ny hira nahafantarana ity tarika ity ny « Hazo boboka », « Avotra », « Namana », « Lasa aiza i Dada ? », « Fanjakana », «  Miandry anao »… Saika voalazan’ny tononkiran’ny tarika Filah avokoa ny fiainana andavanandron’ny Malagasy amin’ny ankapobeny. Anisan’ireny ny fitiavana, tontolo politika, tokantrano, sns.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.