Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Boriborintany I : hizarana karatra ireo mpivarotra  

Manomboka amin’ny volana febroary io, hanomboka ny fizarana ny karatry ny mpivarotra matihanina ao amin’ny boriborintany voalohany. Amin’izao fotoana izao, efa mandeha ny fanangonana ny lisitr’ireo tena hivarotra anaty tsena.

Afaka misoratra anarana amin’izany fidirana ho mpivarotra anaty tsena izany avokoa ireo mpivarotra amoron-dalana raha ny fanazavana. Nilaza ny delegen’ny boriborintany voalohany fa” mbola any amin’ny lehiben’ny tsena avokoa ny lisitra ka tsy mbola fantatra mazava ny tena isan’ny mpivarotra hizarana karatra”.

Mahazaka ireo mpivarotra rehetra mirenireny eny amoron-dalana ny tsena rehetra. Afaka miditra amin’izay tsena tiany izy ireo, raha ny fanazavana hatrany. Voakasin’izany ny ao amin’ny Pochard, Petite Vitesse, Andravoahangy, Mahamasina…

Tao anatin’ny roa herinandro, nilamina ny teny Analakely sy ny manodidina. Tsy nisy intsony ny mpivarotra amoron-dalana. Miatrana ireo polisin’ny tsena manara-maso akaiky ireo mpivarotra mbola mangalatra mamelatra entana eny an-tsisin-dalana.

Betsaka ny mponin’Antananarivo ny mankasitraka ny fahadiovan’ny tanàna sy ny fahalalahan’ny fifamoivoizana eo Analakely. Maniry ny hitohizan’izany tanàna milamina izany ny rehetra.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.