Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taona 2016 : atao ampahibemaso ny fandraisana mpampianatra

Atao ampahibemaso ny fandraisana ny mpampianatra Fram ho mpiasam-panjakana amin’ny andiany fahatelo amin’ity taona ity, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Hatramin’izay, ny sekoly no mandahatra ny mpampianatra araka ny taona nanabeazany tao amin’ny sekoly, ampiakarina ao amin’ny Zap sy ny Dren ny lisitra avy eo. Ankehitriny, hampanantsoana mihitsy hanatrika eo ireo mpampianatra Fram mangataka ny hiditra ho mpiasam-panjakana miaraka amin’ny antontan-taratasy momba azy.  Hifanatrehana eo ny dinika rehetra mba hisian’ny mangarahara tanteraka ary manotrona eo ny lehiben’ny fokontany, sendikàn’ny mpampianatra misy eo an-toerana, solontenan’ny Bianco manara-maso. Nandritra ny andiany roa voalohany, misy hatrany ny fanakianana ataon’ny mpampianatra tsy voaray aorian’ny fivoahan’ny lisitra vonjimaika. Ho an’ny Dren, Analamanga, hozaraina amin’ny volana febroary ny fifanarahana asa ho an’ny mpampianatra voaray farany teo. Ho an’ireo mpampianatra Fram feno 45 taona ka hatramin’ny 50 taona, hojerena manokana ny ao amin’ny Cisco Avaradrano sy Atsimondrano amin’ny fandraisana hoavy. Ho an’ny 50 taona no ho miakatra kosa, tsy azo horaisina mpiasam-panjakana intsony fa misy ny fifanarahana manokana amin’ny fanjakana. Afaka mangataka hiditra ho ECD (employé de courte durée) ny tenany na koa mijanona ho Fram ihany fa misy fifanarahana manokana amin’ny vola fisotroan-dronono avy eo.

Raha ny tokony ho izy, mila miasa 15 taona amin’ny fanjakana vao misitraka ny vola fisotroan-dronono ny mpiasam-panjakana ka mametraka olana ny handray ny olona efa 50 taona no ho miakatra.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.