Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nizarana finday ireo mpanolotsaina : nitsefotra ny fanonganana an-dRatsiraka Elysé

Nizarana finday ireo mpanolotsaina : nitsefotra ny fanonganana an-dRatsiraka Elysé

Maty momoka ny fikasan’ireo mpanolotsaina hitsipahana ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Ratsiraka Elysé tokony ho natao, omaly ao amin’ny efitrano fivorian’ny filankevitra.

     Nialoha izany, efa mazava ny resaka fa havela hanohy ny asany aloha ireo mpikambana maharitra anatin’ny filankevitry ny Tanàna, tarihin’ny filohany, Razafimanana Jean

Christin (Mapar) sy ny filoha lefitra Andriamiarifera Malalaniaina (Tim). Ho takalon’izany, fiaraha-manatanteraka ny fitsipaham-pitokisana ny ben’ny Tanàna.

     Nizaran-dRatsiraka Elysé finday anefa izy ireo raha vao hanomboka ny fivoriana ny alarobia teo. Tsy nitohy intsony ny resaka momba ny fanonganana taorian’izany.

    Na izany aza, nambaran’ny mpanolotsaina, Rakotomanana Gervais, ny anton’ny fitokonana miseho ao amin’ny kaominina. « Ny olona akaiky anao ihany  andriamatoa ben’ny Tanàna no afaka hamadika anao. Tsy niseho io fitokonan’ny mpiasa io raha tsy ny olona akaiky anao nitarika izany voalohany satria mbola tsy nahazo ny toerana tiany izy. Rehefa notendrenao ho

lefitra voalohany izy, nisintaka ary sahy nitondra « gros bras » nandratra sy namono ny

mpiasa », hoy izy.

Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha, manoloana ny handinihana ny tetibolan’ny kaominina amin’ny alatsinainy izao.

Sajo

Les commentaires sont fermées.