Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jirama Fianarantsoa : ahina ho niniana nodorana  

Manahy ny tompon’andraikitry ny Jirama any Fianarantsoa fa “mety ho haitrano niniana natao (incendie criminelle), no niteraka ny fahamaizana indroa miantoana tamin’ireo birao vitsivitsy tany tao amin’ny foiben’ny Jirama any an-toerana, omaly vao maraina be.  Tapitra may kila ny entana samihafa tamin’ireo birao ireo, araka ny fantatra.

Araka ny loharanom-baovao, voaray tany an-toerana, nahenoana fipoahana talohan’ny firehetana. Ao no nilaza fa nahitana bidao nisy lasantsy teo amin’ny efitra may. Ny feo hafa aza nilaza fa toa nisy fitorahana “Cocktail Molotov” na grenady mihitsy tamin’izany. Feo re avokoa ireo, saingy ny famotorana izay fantatra fa efa misokatra no ahalalana ny tena marina.

Nandritra ny adiny efatra teo ho eo, nifanampy tamin’ny famonoana ny afo ny mpamonjy voinan’ny kaominina sy ny an’ny Adema, vao maty tanteraka izany.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.