Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikarohana ireo  jiolahy mpaka an-keriny : betsaka ny zava-miafina ao aminy

Fikarohana ireo  jiolahy mpaka an-keriny : betsaka ny zava-miafina ao aminy

Raharaha iray anisan’ny nitana ny sain’ny maro manerana ny Nosy mihitsy ity raharaha fakana an-keriny zanaka mpandraharaha ara-toekarena, sady tompona haino aman-jery tsy miankina iray any Toamasina ity. Tsy mbola nisy ny fanazavana  momba ilay fiara 404 bachée 5063 TAA, nampiasain’ ireo jiolahy nisakanana ny fiara nitondra azy mianandahy ny marain’ny 23 novambra, tokony ho tamin’ny 6 ora sy 45 minitra, teo ambony tetezan’ i Morarano.  Tsy mbola nisy sahy nilaza izay tena tompon’ io fiara io ireo rehetra mitatitra vaovao tamin’ny mpanao gazety. Iza marina no tompony?

Mandeha ihany koa ny resaka momba ny sarin’i Lejao na Massaro. Milaza ny mpanara-baovao ary ny olona mahafantatra tsara ity olona namoahan’ny fitsarana didy fisamborana ity fa tsy izy ilay sary nivoaka an-gazety. “Misy familiana loharanom-baovao mba tsy hahatrarana an’ i Lejao, matanjaka ny ao an-damosiny”, hoy ny mpanaram-baovao. Vokany, nisy nanatitra tao amin’ny talem-paritry ny filaminana anatiny Atsinanana ny sarin’i Lejao. “Ity sary manao akanjo miloko maitso sy misatroka ity no izy, ilay Lejao na Massaro mpilalao baolina tao amin’ny AS Fortior Toamasina teo aloha”, hoy ny fanazavana. Mametra-panontaniana ihany koa ny rehetra  momba ny “puce” nampiasain’ireo jiolahy. Tsy nahitana io “puce” io mantsy tany amin’ireo voasambotra. Voalaza fa tsy niova mihitsy ny laharana nampiasain’ ireo jiolahy tamin’ny fitakiam-bola sy fandrahonana ny ray aman-drenin’ izy mianandahy. Heverina ho fitaovana iray hahafahana mamantatra hatramin’ny atidoha mpanome baiko io “puce” io kanefa aiza? Farany, naninona no hovonoina avy hatrany ireo heverina hahazoana ny tena marina, toy an-dRakoto Leonce sy  Fredo? Maromaro ireo tranga mila valiny manodidina ity kidnapping ity.

Sajo

Les commentaires sont fermées.