Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Distrikan’Ambohidratrimo : nitambatra ireo ben’ny Tanàna 24

Dimy ambin’ny folo taona izao izahay no nanaitra ny fitondram-panjakana momba ny fanampiana ny kaominina. Zara anefa raha misy izany. Handoavana ny karaman’ny mpiasa koa anefa raha mba misy aza. Tsy misy tokotaniny ny tetibola hampandrosoana ny tanàna… », hoy ny ben’ny Tanànan’Ambohidratrimo sady filohan’ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna eo anivon’ity distrika ity, Rajaonasolo Clovis, omaly teny an-toerana. Manoloana izany, nilaza ny hamolavola lalàna hoentina eny anivon’ny Antenimierampirenena izy ireo. Nialohavan’ny fananganana ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna amin’iny faritra iny izany, ahitana kaominina 24.

       Nohitsiny koa fa tsy marisika amin’ny fandoavan-ketra ny mponina kanefa anisan’ny loharano hampiroboroboana ny kaominina izany. « Antony ijoroan’ny fikambanana izany, ahafahan’ny ireo mpikambana hahaleo tena », hoy ihany izy.

     Tsiahivina fa filoham-boninahitra ny ben’ny Tanànan’Ambohibao Antehiroka raha filoha lefitra ny avy eny Ambatolampy Tsimahafotsy sy Talamaty.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.