Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CEPE sy BEPC 2016 : tsy hihatra ny famerana taona

Tsy mbola hihatra amin’ity taom-panadinana ity ny famerana ny taonan’ny zaza hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE. Maro amin’izy ireny no efa misoratra anarana sy mianatra amin’ny kilasy 7ème ka sarotra indray ny hanakana ny mpianatra tsy handray anjara amin’ny fanadinam-panjakana. Fotoana tetezamita ny taom-pianarana 2015-2016 ka miroso amin’ny fepetra amin’ny taom-pianarana manaraka ho avy. Na izany aza, tsy azon’ny mpianatra amin’ny kilasy 8ème mihitsy ny misoratra ho mpiadina amin’ny CEPE, efa misy ny lalàna mazava mandrara izany. Eo am-pamolavolana ny lalàna mikasika ny famerana ny taona ny teknisianina ary haroso manoloana ny filankevitra nasionalin’ny fanabeazana (CNE) mialoha ny hamoahana azy ho lalàna manan-kery sy hampiharina eto amintsika.

Mampidina ny taham-pahafahana CEPE sy BEPC ny fandraisan’ny mpianatra 8ème sy 4ème amin’ny fanadinam-panjakana. Tsy mitondra soa ho an’ilay mpianatra rahateo ny fandinganana kilasy satria tsapa ihany ny fahabangana amin’ny taranja sasany rehefa miakatra kilasy ambony izy.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.