Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambalavelona any Miandrivazo : hotsaraina amin’ny alakamisy izao i Kohen Rivolala

Velona ahiahy tanteraka ny ray aman-drenin’ireo mpianatra tratran’ny aretina ambalavelona tany Miandrivazo manoloana ny “Raharaha Kohen Rivolala”. Fantatra, araka ny loharanom-baovao iray marim-pototra fa tsy hita tao amin’ny biraon’ny polisy ao Miandrivazo intsony ny fiaran’i Kohen, nanomboka ny alakamisy antoandro teo fa hoe niakatra aty an-drenivohitra. Io fiara io anefa voalza fa tsy misy taratasy mombamomba azy akory. Eo araka izany no mipetraka ny ahiahin’izy ireo momba ity “Raharaha Kohen Rivolala”. Mbola ao amin’ny fonjan’i Miandrivazo kosa izy ary fantatra fa ny 23 janoary 2016 ho avy izao no hiakatra fitsarana any an-toerana. Tsiahivina fa niteraka resabe ny momba an’i Kohen tamin’iny raharaha fanalana devoly saika niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka tao Miandrivazo iny. Miantso ny tompon’andraikitra, araka izany, ny mponina any an-toerana mba hanara-maso akaiky ity raharaha ity satria manahy izy ireo sao ho very an-javony ka ho vitavita ho azy izany.

J.C

Les commentaires sont fermées.