Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy mahavita ny asany ny Samva : hiverina hanadio tanàna ny fanjakana

Tsy mahavita ny asany ny Samva : hiverina hanadio tanàna ny fanjakana

Hiverina hanadio tanàna indray ny fanjakana, araka ny tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, satria tsy vitan’ny Samva ny nitazona ny fahadiovana tao anatin’ny andro maromaro. Hitohy mandritra ny dimy andro ny asa. «Ny vola fanampiana efa nomen’ny fanjakana 156 tapitrisa Ar ihany no ampiasaina hanaovana ny asa», hoy ny minisitry ny Rano, fahadiovana ary fidiovana, Ndahimanjara Johanita, omaly, teny Tsaramasay. Tokony hanaja ny ora fanariana fako koa ny mponina, amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 6 ora maraina ny ampitso ny fotoana natokana ho amin’izany.

«Tafiditra amin’ny fisorohana ny loza koa ny fandalinana ny lakandrano Andriantany mirefy 12 km, ny 5km amin’izany no tena feno fako sy tototra fotaka», hoy ny talen’ny Apipa, Rateloson Philippe. Efa nanomboka herinandro ny asa ka vita ny 40% amin’izao fotoana izao. Heverina fa ho tontosa ny 80% afaka herinandro rehefa hitsahatra kely ny rotsak’orana. 3 miliara sy 500 tapitrisa Ar ny vola natokana hanaovana ny asa rehetra. Ho an’ny teny Tsaramasy manokana, ampahany iray amin’ny asa fito. 120 ny lehilahy miasa isan’andro tsy tapaka miaraka amin’ny fitaovana matanjaka mandalina ary maka ny fako ao anaty rano.  Iandraiketan’ny orinasa Fanomezana ny eny an-toerana manokana.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.