Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : Pin-pon pin-pon ! Hay ve ry zalahy mpanampatra…

Vavany fotsiny izany hoe fitiavam-bahoaka izany, raha tena marina izany andao ary mba hiara-hizaka ny fahoriana mihatra amin’ny rehetra eo amin’ny fikatson’ny fifamoivoizana. Samy diso fanantenana izao izay nihevitra fa aorian’ny taom-baovao rehefa manify ny vola any am-paosin’ny maro dia hihena ny isan’ny fiara  mifamezivezy ka hisosa ny fifamoivoizana. Tsy izany anefa ny tranga tazana, tsy niova ny fihisatry ny fiara, ny lavaka koa nitombo an’isa ary nihalalina arakaraky ny firotsahan’ny orana.

Manahirana ireo olona mihevitra azy ho ambonin’ ny rehetra ny fihafiana amin’izany, samy manita-kevitra hanitarana ny fanjakazakana amin’ny maro ireo tompom-pahefana ambony. Izy ireo moa no voaendrikendrika satria kerisahy tsy tia hofantatra rehefa mihoa-pefy manivatsiva mamingavinga ny olona ka miafina ao ambadik’ireny fitaratra matroka ireny. Angamba misy mpisandoka nefa aiza moa no heverina fa sahy hisandoka koa fanaminana mpitandro filaminana hitafiana ireo mpisava lalàna sy mpiambina. Amin’iny lalan’ny “digue” iny rehefa maraindraina raha avy any andrefana hianavaratra dia mitohana ny fifamoivoizana moa tsy rano iray avy eny Andranomena ka hatreo Andohatapenaka. Tsy latsaky ny dimy lahy na vavy ambony fiara misy jiro be eo an-tafo no sady velona anjobona no misava lalana. Mampingoso maha tia hanompa mihitsy. Taitra ihany moa maheno azy ireny mirimorimo avy ao aoriana dia mihataka maka sisiny ny olona, sao kosa dia iray amin’ireo Lehibena andrimpanjakana, ireny moa dia hajain’ny olona noho ny toerana misy azy. Fa ny olona kosa tsy tia handefitra amin’ireo mpanararaotra manitatra fahefana, na minisitra kely izany na tompon-toerana mibontsin’atidoha.

Ireo anie hoy ny ankamaroan’ny mponina no tena tsy mahavita azy, iza indray moa no tanana amin’ izao fikatsoan’ny toe-piainana izay mampangirifiry izao, jerena ireny izy mbola mivatravatra ireny mandravarava toa mihevitra azy ho tsy azo sakanana, toa tsy manaiky ny ho voan’ny pentin-dalitra, toa minomino mihitsy tsy ho tratry ny aloka. Voky izy dia matory, ny zava-bita anefa boribory, tena manorisory araky ny voalazan’ny tononkira iray.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.