Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankazoabo Atsimo : dahalo 4 lavon’ny miaramila  

Ankazoabo Atsimo : dahalo 4 lavon’ny miaramila   

Dahalo efatra no lavon’ny balan’ny miaramila vokatry ny fifandonana teo amin’ ny roa tonta, maro ny naratra nefa nentin’ireo namany. Dahalo 60 lahy teo am-panomanana fanafihana no saron’ny  miaramila avy amin’ny Rezimanta voalohany faritany fahadimy miandraikitra ny hetsika fahalemana any an-toerana, taorian’ny nialan’ireo miaramila avy aty Antananarivo. Niomana hanafika ny fokontany Tsinjorano kaominina Berenty izy ireo, ny alatsinainy lasa teo. Olon-tsotra no nampandre ireo miaramila, ka nahafahana niady avy hatrany amin’ireo dahalo. Raikitra avy hatrany ny fifampitifirana raha vantany vao nahatsikaritra ireo miaramaila ireo dahalo.  Nandritra izany nalavo ireo dahalo efatra. Mba hanatsarana ny hetsika fahalemana nanao antso avo amin’ny vahoaka ny Kolonely Eliasy A. Jules Ducret, mba hanome vaovao ara-potoana ny miaramila hahafahana miady amin’ny asan-dahalo.

CMS

Les commentaires sont fermées.