Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vokatry ny orana : lafobe ny anana sy legioma

Vokatry ny orana : lafobe ny anana sy legioma

 Simban’ny orana avokoa ny ankamaroan’ny voly anana sy legioma ka vitsy ny vokatra amidy eny an-tsena. Vokany, niakatra ny vidiny tao anatin’ny herinandro. Ny anana tsy mahazaka orana no tena nisondrotra be. Ohatra, tsy mahazo anana intsony atao fangaron-daoka raha tsy 500 Ar raha mbola 200 Ar teo aloha. Sahirana ireo mpivarotra satria mihemotra ny mpividy raha vao maheno izany. Misy ny nisafidy ny tsy hivarotra mihitsy ialana amin’ny fatiantoka raha hitsinjo ny mpanjifa. Nahitana fiakarany koa ny legioma fihinana manta.

Tsy ny anana sy legioma ihany fa nisondrotra be koa ny vidin-kena eto Antananarivo. 10 000 Ar ny kilaon’ny henan’omby toy ny totonkena, nofon-kena. 9 600 Ar ny mifangaro 1 kg. Ho an’ny henan-kisoa, 12 000 Ar ny 1kg ho an’ny hena voafantina (côtelettes, toton-kena, nofony). 11 200 Ar ny henan-kisoa mifangaro. Amin’izao fotoana izao, tsy mividy afa-tsy ampahefatry ny kilao na latsak’izay ny isan-tokantrano vokatry ny sondro-bidy.

Rehefa fety ihany sisa no mandeha ny tsenan’ny hena.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.