Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy mampandroso ny fampiasam-bola : tsy mahonitra ny TVA ny fanjakana

Tsy manaja! Milaza fa hentitra ny fanjakana amin’ny fampiharana ny lalàna nefa tsy hajainy araka izany ny tandrify azy, toy ny lafiny hetra, ohatra. Misy ny TVA (Taxe sur les valeurs ajoutées), tokony honeran’ny fanjakana avy amin’ny elanelan’ny TVA (collectée) noraisin’ny orinasa tamin’ny varotra nataony (vola maty) sy ny masonkarena namoahany vola (TVA deductible). Izany hoe, arotsaka any anatin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana mialoha io hetra io, ary tokony haveriny, honerany amin’ilay orinasa ny elanelana. Tsy izany anefa ny zava-misy ary saika tratran’izany avokoa ny orinasa rehetra, indrindra ny mpanafatra akora sy manondrana ny vokany any ivelany.

Manapotika ny orinasa ity tsy fanoneran’ny fanjakana ny TVA ity satria nialana vola izy ireo, nefa tsy tokony ho ao anatin’ny fitantanana ny kaontim-bolany ka lasa sokajina ho fatiantoka.

176 tapitrisa dolara ny tsy noneran’ny fanjakana

Efa nanolotra vahaolana maro ny orinasa tsy miankina eto amintsika amin’ity tsy fanoneran’ny fanjakana ny TVA ity. Tsy nisy anefa ny fanapahan-kevitra tena nataon’ity farany azo tsapain-tanana sy vahaolana maharitra.

Nandoa ampahany ny fanjakana tamin’ny Tetikasa Ambatovy, ny faramparan’ny taona 2014 sy ny fiandohan’ny taona 2015. Ampahany kely indrindra anefa io naloan’ny fanjakana io, raha oharina ny tamin’ny janoary 2012. Nahatratra 176 tapitrisa dolara ny TVA tsy noneran’ny fanjakana hatreo amin’ny datin’ny 31 desambra 2015.

Araka ny voalaza etsy ambony, miantraika any amin’ny kaontim-bolan’Ambatovy izao tsy fandoavan’ny fanjakana ny TVA izao, izay efa misedra olana ity orinasa ity amin’ny fitotongan’ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Vokatra voalohany fanondran’i Madagasikara anefa ity akora ity, ny taona 2014.

Mampihemotra ny mpampiasa vola

Tsy mamparisika sy mampihemotra ireo izay maniry te hampiasa vola eto Madagasikara ny tsy fisian’ny politika mazava amin’ny fiarovana sy fampirisihana ny fampiasam-bola. Manimba ny endrik’i Madagasikara eo amin’ny tontolon’ny fampiasam-bola rahateo, indrindra isika vao avy niala tamin’ny krizy, nefa mitory fa hikaroka sy hanao ny fomba rehetra hisarihana ny mpandraharaha vahiny hampiasa vola (IDE) aty amintsika.

Randria

Les commentaires sont fermées.