Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – «Afrique Australe 2016» : nanarina ny fahavoazany ny Malagasy

Tenisy – «Afrique Australe 2016» : nanarina ny fahavoazany ny Malagasy

Manohy mankany amin’ny fahombiazana hatrany, ny katitakely malagasy, miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, ho an’ny sokajy U16. Nahazo fandresena avokoa ny ankamaroan’ireo mpilalao, teo amin’ny andro fahatelo.

Niarina ary nanao valin-kafatra ny mpilalao tenisy malagasy,  omaly, teo amin’ny andro fahatelo, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, sokajy U16, lahy sy vavy. Fihaonana, tanterahina any Pretoria, Afrika Atsimo.

Saika nahazo fandresena avokoa mantsy ireo tojo faharesena ny alahady lasa teo.  Anisan’izany i Safidisoa, teo amin’ny sokajy U12 vehivavy, izay nanilika ilay Afrikanina tatsimo, Naledi Manyube. Seta 2 noho 0 (6/3 ; 6/4), ny nibatany ny fandresena. Tsy mbola tafavoaka kosa i Maholy, teo amin’izay sokajy izay ihany, raha nifanehatra tamin’ilay Afrikanina tatsimo, Suzanie Pretorius. Seta 2 noho 1 nisarahan’ny roa tonta. Maholy nefa no nahazo ny seta voalohany (7/5), saingy tsy voatazony izany teo amin’ireo seta roa farany, izay norombahin’i Suzanie avokoa (0/6 ; 4/10).

Mbola resy kosa i Finoana, teo amin’ny U12 lehilahy. Tsy nahatohitra ilay Afrikanina tatsimo, Rohan Loubser, izy, fa lavo tamin’ny seta 2/6 ; 2/6.

Nahita fahombiazana koa i Toky sy Lanja, teo amin’ny U14 lehilahy. Samy nandresy ireo teratany Soazi, mpifanandrina taminy izy mirahalahy. Toky kosa, nanilika an’i Sendzelwe Shabangu ary Lanja, nampiondrika an’i Florian Vandelanotte.

Ho an’ny U14 vehivavy, nanintsana ilay Zimbaboeanina, Charlotte Zhuwakini, tamin’ny seta 2 noho 0 (6/0 ; 6/3) ihany koa i Mioty. Manohy ny fahombiazany toy izany koa i Tsantaniony teo amin’ny U16, rehefa nandresy ilay teratany avy any Lesotho, Tsenolo Matia.

Efa nanomboka omaly ihany koa ny lalao ho an’olon-droa miaraka, ho an’ity fifaninanana ity.

 Tompondaka

Les commentaires sont fermées.