Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpanolotsain’ny kaominin’i Toamasina : “Hotsipahinay ny ben’ny Tanàna … “.

Mpanolotsain’ny kaominin’i Toamasina : “Hotsipahinay ny ben’ny Tanàna … “.

Mazava ny nambaran’ireo mpanolotsaina ivelan’ny Mapar ao amin’ny kaominin’i Toamasina fa tsy maintsy hampidirina anatin’ny samihafa ny fitsipaham-pitokisana ny ben’ny Tanàna, Ratsiraka Elysé, amin’ny fivorian’ny filankevitra, hanomboka ny 13 janoary izao. Nahitsy kosa ireo mpanolotsaina sasany voafidy eo anivon’ny Mapar. “ Vonona ny handatsaham-bato ho fitsipahana ny ben’ny Tanàna izahay, mba hifarana ny fitokonana ary hilaminan’ny tanana, ahafahana miasa sy manadio tanàna, ho an’ny tombontsoa ambonin’ ity renivohitra ara-toekarena ity”, hoy izy ireo. Nohamafisin’izy ireo fa hangatahina amin’ny fanjakana foibe ny hametrahana delegasiona manokana hikarakara ny fifidianana ka olona tsy anatin’ ireo mpanatanteraka napetraky ny ben’ny Tanàna no hitantana eo.

     Tsiahivina fa efa enim-bolana izao, tsy nahitana vahaolana sy marimaritra iraisana
ny korontana eo anivon’ny kaominin’i Toamasina, manoloana ny fitakiana ny fialàn’ ny ben’ny Tanàna. Mihantona ny asa rehetra anivon’ny kominina. Misavovona ny fako ary mikorontana ny tsena.  Tsy miditra ny hetra…

Sajo

Les commentaires sont fermées.