Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fandraharahana : lasa any Eoropa sy Azia Ravalo

 Nihazo an’i Eoropa ary avy eo ho any Azia ny filoha teo aloha, Ravalomanana, hatry ny faran’ny herinandro teo. Fitsidihana manokana izao ataony izao. Voalaza fa tafiditra amin’ny famelomana sy fampihodinana indray ny orinasa Tiko izany fitsidihany firenena maromaro any ivelany izany, hiarahana amin’ireo mpandraharaha vahiny.

Anisan’ny fanehoan-keviny farany, ny herinandro teo, ny tsy fanekeny ny fibodoan’i Frantsa ireo Nosy manodidina ka nampifandraisany koa amin’ny efa nahazoany ny tany etsy Andohatapenaka nefa lasan’ny fanjakana.

    Teo koa ny nandraisany teny Faravohitra ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo, Grobler, sy ny iraka manokan’ny Vondrona afrikanina, Brahimi, ka nanehoany ny heviny manokana momba ny raharaham-pirenena.

    Tsy voafaritra mazava ny fotoana hiverenany an-tanindrazana sy ny faharetan’ny diany any ivelany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.