Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Etazonia – Madagasikara : hanampy antsika hiady amin’ny trafikan’andramena ny Amerikanina

« Tena mampiahiahy anay ny fahapotehan’ny tontolo iainana eto Madagasikara. Na izany aza, vonona izahay ny hanao ho laharam-pahamehana ny ady atao amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena toy ny vato sarobidy sy ny andramena », hoy ny sekreteram-panjakana Amerikanina, Linda Thomas-Greenfield, namintina ny fihaonany tamin’ny filoha Rajaonarimampianina, omaly teny Iavoloha.

    Ankoatra izany, nambarany fa anisan’ny anton-diany eto ny hampirisika sy ny fanohanany ny fametrahana ny demokrasia. Fa eo koa ny fametrahana filaminana aty amin’ny faritra misy antsika, indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ary koa ny fampandrosoana. « Tafiditra ao anatin’izany ny ady atao amin’ny fampihorohoroana, anisan’ny horesahina amin’ny fivorian’ny Vondrona afrikanina. Raharahan’ny rehetra io. Eo koa ny fiverenan’ny tsenan’ny Agoa, ny fahantrana sy ny sosialy : fanabeazana sy ny fahasalamana… », hoy ihany izy.

     Tsiahivina fa nihaona tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Attalah Béatrice ity tompon’andraikitra Amerikanina ity.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.