Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analamahitsy : tratran’ny polisy ireo tambajotrana mpangalatra môtô

Analamahitsy : tratran’ny polisy ireo tambajotrana mpangalatra môtô

 Nidoboka am-ponja, ny asabotsy teo ireo jiolahy telo raindahiny amin’ny halatra môtô eto an-drenivohitra. Ny zoma 8 janoary 2016 vao maraimbe izy ireo no saron’ny polisin’ny Sut teny Analamahitsy. Nanao ny vela-pandrika avy hatrany ny polisy rehefa nahazo loharanom-baovao momba ny fisian’ireto andian-jiolahy ireto. Tratran’ny polisy tao an-trano nisamborana azy ireo ny môtô halatra miisa telo tsy misy taratasy miampy fanalahidina môtô marobe ary kojakojana môtô. Nilaza ry zalahy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa mitondra môtô roa izy ireo rehefa hanao ny asa ratsiny. Arahin’izy ireo avy hatrany izay môtô tiany hangalarina. Rehefa mijanona ilay môtô, mody manaraka ilay mpitondra môtô amin’izay toerana alehany ny iray amin’izy ireo raha miezaka mamoha ilay môtô amin’ireo fanalahidy any aminy kosa ireo roa lahy. Ny olona rahateo tsy mieritreritra azy ireo ho mpangalatra satria manao aroloha ry zalahy rehefa mangalatra môtô.

Ovainy voalohany ny lokony, avy eo soloiny hafa ny motera ary amidiny mitokana indray ilay motera avy nangalarina. Môtô Scooter Jog 90 no tena lasibatra satria nolazain’ireo jiolahy fa “standard” ny fanalihidy miasa amin’izy ireny. Eny Analamahitsy, Ampasampito, Ivandry, Amboditsiry no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny, raha ny fanazavan’ny polisy.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.