Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tranoben’ny varotra Toliara : mitaky ny fitantanana ny seranan-tsambo

Tranoben’ny varotra Toliara : mitaky ny fitantanana ny seranan-tsambo

Taorian’ny fifidianana ny 21 novambra 2015, namantarana ireo olona 34 misolo tena ny mpandraharaha ao anatin’ny Tranoben’ny varotra anatin’ny faritra Toliara.  Voafidy ny 30 desambra 2015 kosa ny filoha vaovao, Razafitombo Elijaona, avy amin’ny fikambanan’ny mpandraharaha Geso, maro anisa  ao anatin’io antenimieran’ny Varotra aty Toliara. Nahazo vato 28 Razafitombo Elijaona raha 6 kosa ny an’ny mpifaninana taminy.

Nanamarika ny filoha vaovao fa hanome aina vao ny antenimieran’ny Varotra ka nametraka vina dimy hanatanterahana izany mandritra ny efatra taona hitondrany. Nambarany tamin’izany ny famolavolàna drafitrasa ; “forum” hanasana mpandraharaha ivelan’i Toliara ; fanofanana ny tanora hiatrika asa ; famahana ny olana ny amin’ny tokony hamerenana amin’ny Tranoben’ny varotra ny fitantanana ny seranan-tsambon’i Toliara. Fantatra mantsy ny fanaovan’ny orinasa vahiny Coreto sy Comato ampihimamba ny fampidinana sy ny fampiakarana entana ao amin’ny seranan-tsambo.

CMS

Les commentaires sont fermées.