Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Oniversiten’i Toliara : lany ho filoha ny Dr Lezo Hugues

Lany ho filoha vaovao hitantana ny oniversiten’i Toliara mandritra ny telo taona  ny dokotera Lezo Hugues. Nandritra ny fanisam-bato ny fifidianana izay ho filohan’ny oniverisiten’ny Toliara ny zoma hariva lasa teo tao amin’ny Acces no nahafantarana izany. Nandray anjara avokoa ireo kadinda dimy mirahalahy, izay samy manana ny maha izy azy noho ny fanolorana fandaharanasa ho fanatsarana ny Oniversite aty Toliara. Nizotra ara-dalàna sy tamim-pilaminana tanteraka ny fifidianana ary ara-demokrasika sy nangarahara tanteraka.

Samy nahazoan’ny dokotera Lezo avokoa ireo sampam-pianarana fito nahitana ity fifidianana ity. Izy no nahazo vato ambony ka voalohany hatrany teo amin’ny birao mpifianana enina amin’ireo fito.

Tsy nampoizina ny  fandresen’ity kandida ity satria tany amin’ny kadinda hafa no nalehan’ny sain’ny maro. Isan’ny nahatonga ny mpifidy hirona aminy noho ny fahaizany mandray olona sy ny traikefa nananany nandritra ny enina taona naha sojaben’ny siansa azy. Nandritra ny kabary fisaorany ireo nifidy azy, nitaona ireo namany izay nilatsaka ka tsy lany izy mba hiara hiasa hanatsarana ny Oniverisite. “Andao hatambatra ireo eritrerintsika tsirairay, izay samy manana vina hanatsarana ity oniverisite ity”, hoy izy. Nanamafy izy fa  vonona hanohy ny asa tsara nataon’ny filoha teo aloha. Izao fifidianana izao dia natrehin’Atoa Randrianasolo Joseph, izay nisolo tena ny minisitry ny Fampianarana ambony.

CMS

Les commentaires sont fermées.