Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analankinina – Toamasina : mihorohoro ny manan-janaka vavy, tsy mbola voasambotra ilay mpanolana

Analankinina – Toamasina : mihorohoro ny manan-janaka vavy, tsy mbola voasambotra ilay mpanolana

 Mikononkonona ny hanao fitsaram-bahoaka amin’ilay raim-pianakaviana nanolana ankizivavikely 14 taona ny andiana tanora ao Toamasina rehefa tsy handray andraikitra ny zandary. Simba tanteraka ilay niharam-boina vokatry ny fanolanana azy…

Mihorohoro ny ray aman-dreny manan-janaka vavikely tsy ampy taona ao amin’ny fokontany Analankinina Hopitalibe Toamasina, noho ny tsy fandraisan’ny zandary andraikitra izay nametrahan’ny ray aman-drenin’ i R.L Clarita 14 taona (ilay ankizy voaolana), mpianatra ao amin’ny Ceg Ratsimilaho kanefa naolan-dRatsisakanana Modeste, raim-pianakaviana 50 taona, mifanila trano amin’ny ray aman-dreniny ny alahady 3 janaory 2016 teo ka mitondra faisana vokatr’ izany. “Mipetraka amin’ny dadabeko aho ary lasa niasa manao tranon’ olona izy, nantsoin’i Gerard aho eo am-panasana lovia, nefa nandà aho, nirahiny nividy siramamy aho dia nandeha ary raha vao nanatitra izany aho notampenany tamin’ny lamba ny vavako ary nobatainy niakatra teo am-pandriany dia nanaovany filan-dratsiny teo aho”, hoy i Clarita kely nitantara ny nanjo azy.

Raim-pianakaviana iray mifanila vodirindrina nahita  ity ankizivavy ity mitomany no nanontany azy ka nitantarany ny nanjo azy. Niantso ny dadaben’ilay niharam-boina ilay raim-pianakaviana ka nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Simba tanteraka ilay ankizivavikely raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo ka voatery nanjanona tsy mahazo mianatra fa manaraka fitsaboana. Nametraka fitoriana teny anivon’ny borigadin’ny zandary ny ray aman-drenin’ilay ankizy saingy tsy misy valiny izany.

Mihorohoro amin’ ity lehilahy ity avokoa ny ray aman-dreny manan-janaka vavy tsy ampy taona fa mety hanaovany toetra mamoafady toy ny nahazo ity ankizivavikely ity. Mihevitra ny hisambotra ilay nahavanon-doza ary mikasa hanao fitsaram-bahoaka kosa, ny tanora lahy ao an-toerana, raha tsy handray andraikitra ny zandary, araka ny fanazavana.

Sajo

Les commentaires sont fermées.