YALI 2024 : misokatra ny fisoratana anarana

Nanomboka ny talata teo ary hitohy hatramin’ny 12 septambra ny fisoratana anarana sy fandraisana antontan-taratasy ho an’ny fandaharanasa «Young African Leaders Initiative (YALI) Mandela Washington Fellowship” ho an’ny taona 2024.
Manana hatramin’ny 12 septambra ho avy izao ianareo tanora liana amin’izany hameno sy handefa ny antontan-taratasy ao amin’ny tranonkala mwfellows.info/apply hanatanterahana ny fisoratana anarana.
Fandaharanasa lehibe indrindra amin’ny “Young African Leaders Initiative (YALI)” an’ny governemanta amerikana ny “Mandela Washington Fellowship for Young African Leaders». Tanora mpitarika afrikanina maherin’ny 5 100 no nisitraka ity fandaharanasa ity hatramin’ny taona 2014 nisiany.
Tanora mpitarika nisongadina tamin’ny sehatra misy azy ary afaka nanaporofo fitondrana, fiovana miabo any amin’ny fiarahamonina misy azy sy ny firenena niavian’izy ireo avy ny mpandray anjara.
Hanaraka fiofanana mandritra ny 6 herinandro momba ny fandraharahana na fandraisana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina na fitantanan-draharaham-panjakana any amin’ny oniversite amerikana ireo voafantina ao anatin’ity fandaharanasa ity.

Tatiana A

Partager sur: