Volley-GNVB lahy sy vavy: samy hiatrika ny CCCZone 7

Tsara ny vokatra ho an’ ny ekipan’ny GNVB (Gen­dar­merie Nationale de Vol­ley Ball), tamin’ity taona 2022 ity, araka ny tatitra nataon’ny filohan’ny GNVB, Chef d’escadron Comman­dant Fortunat, tetsy Beton­golo, omaly. Anisan’ny ni­songadina indrindra ny fandraisana anjara voalohan’ny GNVB vehivavy, teo amin’ ny sokajy 1ère Division, izay nisalotra ny tompondaka lefitra nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Mada­gasikara farany teo. “Tamin’ ity taona ity vao nitsangana ny sokajy vehivavy 1ère Di­vision kanefa nahazo vokatra tsara sahady”, araka ny nambaran’ity filohan’ny GNVB ity. Voahosotra ho tompondaka kosa, tetsy an­kilany, ny GNVB lehilahy 1ère Division. Noho ireo vokatra tsara ireo, samy hiatrika ny fifaninanana CCC­Zone 7 hatao any Maorisy, ny volana febroary 2023, avokoa ny ekipa lahy sy vavy ny GNVB. Efa ao anatin’ny fiomanana tanteraka amin’ity fifaninanana goavana ity amin’izao ireo mpilalao.

Tonga nanolotra ireo amboara rehetra azo tamin’ ity taona 2022 ity, ho an’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmariam-pirenena, Jeneraly Serge Gellé, ny ekipan’ny GNVB, omaly. Nanamafy ny SEG fa vonona hatrany hanohana ny ekipa noho ireo vokatra tsara azo isan-taona ary mbola mandrisika hatrany ireo mpilalao hampitombo izany fandresena izany.

Mi.Raz

Partager sur: