Théo Rakotovao: “Vola”, rakikira hamaritra ny taona 2024

Vaovao nanahaka ny taona. Vao nigadona ny 2024, nampahalala ny vokatra vaovaony i Théo Rakotovao. “Vola”, rakikirany fahatelo, navoakan’ity mpanakanto ity . Azo jifaina avy hatrany amin’ny alalan’ny “streaming”,
amin’ireo fanjifana mozika maneran-tany, toy ny “Spo­tify”, “apple Music”, “You­Tube”, sns, ity rakikira tsinjarain’ny Distrokid ity.
Mirakitra hira vaovao 12 ny “Vola”. Misy ny hira efa fahenon’ireo mpanaraka an’i Théo Rakotovao, toa ny “Vezo” sy “Mavandivandy”.
Miresaka lohahevitra maro ity mpanakanto ity, anatin’ireo hira toa ny “Sairy”, “Tsy afa-bela”, “Eka tia”, “Zanako vavy”, sns. Tsy mivaona ta­min’ireo sanganasany voarakitra anatin’ny “Hihira ho anao”, tamin’ny taona 2006, sy ny “Io zah”, tamin’ny taona 2013 ireo. Ilay fahamatorana anaty famoronana efa nananan’i Théo Rakotovao hatramin’izay, no nomeny aina anatin’ireo hira no mbola hita taratra ao. Ny maha samy hafa amin’ireo vokatra roa voalohany kosa, tsy misy amin’ny endriny kasety sy kapila toa ny taloha intsony izany.
Rehefa inona no Mikea dia rehefa inona no Théo Rako­tovao? Fanontaniana mipetraka amin’ity mpanakanto ity hatrany io. Efa nitondrany fanazavana : Théo Rakotovao no mpamoron-kira, mpihira ary mpitendry sy lehiben’ny tarika Mikea. Hatramin’ny nisiany, mivoy ny beko & blues, nentin’ny tarika namakivaky ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena hatramin’izay ny Mikea. Manana sanganasa maro amin’ny gadonkira maro anefa i Théo Rakotovao, mba tiany hozaraina amin’ny mpankafy, ka ireny no hitondrany ny anarany manokana.

Zo ny Aina

Partager sur: