TGC – 20 Taona: hiverina hiseho etsy Analakely

Ny 4 febroary 2004 no nanomboka ny tantara… Tao amin’ ny Tranompokonolona Analakely, niaka-tsehatra voalohany ny Tanà Gospel Choir-TGC. Antony iray nisafidianan’izy ireo ny hiverina ao amin’ity toerana ity izany, 20 taona aty aoriana. “Tamin’ny voalohany” ny anaran’ny seho, izay hotontosaina ny 4 febroary izao, izay maneho indrindra ny fahatsiarovana ny niandohana.
“Nanohina ny fonay tokoa ny fanirianareo rehetra hiaraka hanokatra ny fankalazana aminay. Satrinay dia satrinay izany, saingy iaraha-mahalala ny hakelin’ny toerana ka voafetra ho 300 ihany no afaka hanatrika ny fotoana. Efa nisy ny fandaminana ho an’ireo nahazo ny tapakila, izay tsy misy intsony amin’ izao fotoana izao”, hoy i Fidy Rabearisoa, mpitarika ny TGC hatramin’izay.
Tsy ny toerana ihany no hiverenana fa ireo hira nanamarika ny vanim-potoana maro nolalovan’ny TGC koa. Mam­panan­tena sahady koa izy ireo fa mbola ho maro ny fiarahana amin’ity taom-pankalazana ity.

Zo ny Aina

Partager sur: