« SOS Vanille » : afa-po tamin’ny dinika niarahana tamin’ny fanjakana

Nivaha ihany ny olan’ny lavanila rehefa avy nihaona tamin’ny « SOS Vanille » ny iraka nalefan’ny governemanta tany Sambava, tamin’ny 23 marsa teo. Afa-po tamin’ny dinika niarahana ny « SOS Vanille ».

Afa-po tamin’ny dinika niarahana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny mpandraharahan’ny lavanila tany Sambava. Nanome toky aloha ny « SOS Vanille » fa tsy hisy intsony ny fihetsiketsehana, hoy ny mpandraharaha Laisoa Jean Pierre na Jaovato, taorian’ny fihaonana tany Sambava.
Telo izy ireo ny mpikambana ao anatin’ny governemanta tonga nifampidinika tamin’ireo mpandraharahan’ny lavanila, nahitana ny minisitra Razafindravahy Edgard, misahana ny Varotra sy ny fanjifana ; ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Justin Tokely, ary ny Sekreteram-panjakana miadiady ny Zandarimaria, Serge Gellé.
Nifanarahana tamin’izany fihaonana fa tazonina ho 250 dolara ny iray kilao amin’ny lavanila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy ravana kosa ny CNV (Filankevitra nasionalin’ny lavanila)satria rafitra ifotony. Nitoviana hevitra ane­fa ny fisokafana bebe kokoa hanatevenana ny mpikambana,indrindra fa ny tantsaha mpamboly. Hiarahana mandinika ny hampiasana ny volan’ny CNV. Zava-dehibe ao anatin’izany ny fanohanana ny tantsaha mpamokatra.
Ho sokafana amin’ireo mpandraharaha hividy lavanila eto an-toerana ary vonona hanondrana ny fanomezana alalana na ny “agrément”.

Ny 70%-n’ny vola vahiny tsy maintsy averina

Ny 70%-ny vola vahiny azo amin’ny fanondranana lavanila no tsy maintsy averina (rapatriement de devises). Tsy voatery hanao izany kosa ny mpandraharaha mpanondrana amin’ny 30% ambiny. Nisaotra ny Filoham-pirenana tamin’ny fandefasana iraka ny mpitarika ny « SOS Vanille », izay nitondra fanazavana tamin’izy ireo.
Tsiahivina fa nidina an-dalambe ny mpisehatra amin’ny lavanila, ny 23 marsa, nanao fihetsiketsehina manodidina ity sehatra ity. Misy ny vovonana “SOS Vanille” natsangan’izy ireo, nanehoany fa marary ity sehatra ity, ka mila harenina haingana. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, nanome fe-potoana 72 ora ny fanjakana hanome vahaolana haingana tamin’ny 22 marsa 2023. Nisy tsy nahandry io fe-potoana io ka nidina an-dalambe, nilanja sora-baventy. Nisy koa nandoro lavanila teo amin’ny arabe.

Ndrina

Partager sur: