Orange- « Can 2023 » : norombahin’i Kiniviavy Laurencia ny lokabe

Totontosa ny alarobia lasa teo, teny Ankorondrano, ny fanomezana mari-pankasitrahana ho an’ireo olona nandray anjara tamin’ny lalao « Tous Buteurs », izay nokarakarain’ny Orange Madagascar, nandritra ny “Can 2023”. Lasan’ i Kiniviavy Laurencia, mpanjifa avy any Atsiranana, ny lelavola 1 tapitrisa Ar. Marihina fa izy no nahazo ny laharana voalohany tamin’ity fifaninanana ity.
Tsiahivina fa notanterahina nanomboka ny 13 janoary – 11 febroary lasa teo, tany Côte d’Ivoire, ny Can. Naha­tratra 155 000 isa ny olona nandray anjara tamin’izany. Ankoatra izay, nomena an’i Ceveline Christella Raha­risoa, avy atsy Nosy Be, izay laharana faharoa, tamin’ity hetsika ity, ny 500 000 Ar ary notolorana an-dRajaonary Aina Nirina, avy ao Antsirabe, izay fahatelo, ny 250 000 Ar.
Nahazo loka tamin’ny mpikarakara avokoa ireo olona nahazo isa maherin’ny 12. Tsara marihina fa afaka nandray anjara tamin’izany avoko ireo mpanjifa orange manerana ny faritra 23 eto Madaga­sikara. Tsara ny mampahatsiahy fa norombahan’i Côte d’Ivoire, mpampiantrano ny amboaran’ny “Can 2023” vao nifarana tsy ela izay.

Fitia Randria

Partager sur: