Flash
Préc Suiv

Edito Taratra

Mikoro ny tantana… mikorontana

Mikoro ny tantana… mikorontana

Koro tantana no niavian’ny teny hoe korontana, ary ny tantana mikoro na rava no mikorontana. Toy ny fitantanana hita sy iainana amin’izao, tsy misy inona mandeha amin’ny laoniny. Tsy misy izay fisaraham-pahefana, ka gaboraraka sy tsy mandeha amin’izay izy ny fahefam-panjakana mifangaro voraka be ihany. Raha akapoka, na efa miankapokapoka any amin’ny tsy izy izao […]

Tsimatimanota… velona amin’ny ota

Tsimatimanota… velona amin’ny ota

Mba inona, hono, rey olona, no mbola mampijoro sy mampaharitra izao fitondrana izao, raha atao hoe izay? Misy milaza fa ny lainga sy ny fitaka. Eo koa ny fampiasana herim-pamoretana sy ny fanaovana amboletra isaky ny mihetsika, ny vola sy ny kolikoly. Tsimatimanota izany, na lehibe tsy meloka. Raha vao misy fahadisoana tsinona, miasa avy […]

Lalàna… mitondra fikorontanana

Lalàna… mitondra fikorontanana

Tsianjery sy ambentin-teny, mba tsy hilazana hoe fanasana atidoha, ataon’ny mpitondra amin’izao ny hoe lalàm-pifidianana hitondra fitoniana eto amin’ny firenena. Na ahoana na ahoana amin’izany, manaraka toy ny aloka ihany ny fanahiana korontana na krizy aloha na mandritra na aoriana fifidianana. Tena izay tsy hisian’ny korontana izay tokoa ve no zava-dehibe sy mahamaika ny mpitondra, […]

Ny vahoaka sy ny fananany

Ny vahoaka sy ny fananany

Mazava ny voalazan’ny lalàna sy ny andraikitry mpitandro filaminana, ny « hiaro sy ny vahoaka sy ny fananany ». Tsy misy anavahana izany hoe vahoaka izany fa izay olom-pirenena sy ny mponina rehetra manontolo. Natao ho an’ny rehetra koa ny lalàna ary ampiharina amin’ny rehetra, fa tsy anavahana na manam-bola na tsy manana. Nanaitra ny sain’ny tompon’andraikitra […]

Mba tsy hamela takaitra ny rivodoza

Mba tsy hamela takaitra ny rivodoza

Marina fa efa zatra misedra loza ny Malagasy… Na izany aza, mankarary fo sy mampahonena hatrany ny maheno sy mahita ny fahavoazana, indrindra ireo mihatra aman’aina, vokatry ny loza voajanahary. Hiatrika rivodoza indray isika ity. Toa ny fanaony, tsy hita soritra mialoha izany, raha tsy efa tonga ny orana mikija sy ny rivotra mifofo. Voajanahary, […]

Mitaky lalana mitohy ny fiofanana

Mitaky lalana mitohy ny fiofanana

Mandeha ila ny ezaka ho fampandrosoana sy fampivelarana ny kolontsaina malagasy. Mandray andraikitra ny isan-tsokajin-javakanto tsirairay. Manome fiofanana ny eo anivon’ny mpikirakira ny teatra. Kendren’izy ireo manokana amin’izany ny ankizy sy ny tanora. Maro ireo tonga manatrika… Saingy, aiza moa izay trano filalaovana teatra ? Ny teo aloha, tsy azo ampiasaina intsony ; ny vaovao, tsy mitsangana. […]

Mananontanona ny rahona mainty!

Mananontanona ny rahona mainty!

Mazava ny resaka ankehitriny. Tsy matoky ny heriny ny HVM ka ahilika amin’ny lalam-pifidianana ny mpifanandrina politika. Hanaovana antsojay ny tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. Handany ny hevitra maizina atao ho lalanà ireo solombavambahoaka mpamadika palitao. Ary natao hiaro ny tany tan-dalàna ventisiny isan’andro izao avy eo ny tafika, polisy ary ny zandary. Aiza anefa […]

Tsy mahalia lalana amin’izao…

Tsy mahalia lalana amin’izao…

Efa ao anatin’ny tanteraka ary efa mandeha aza izao ny hetsika mialoha ny tena fampielezan-kevitra. Samy manao izay efany sy afany… Tsy mbola misy lalàna manohitra an’izany, afa-tsy ny hoe fampielezan-kevitra mivantana sy ankitsirano, angaha. Amin’izany rehetra izany, tsy ilaozan’izay tsy mahazaka fa te hanjakazaka irery sy te hanao ny danin’ny kibony. Eny, na tsy […]

Tsipaky ny miala aina sisa izao…

Tsipaky ny miala aina sisa izao…

Mba inona, rey olona, no milamina amin’izao fitondrana izao? Manao fitokonana fanairana ny mpiasa, mikorontana ny eo anivon’ny fitsarana noho ny hoe tsy ara-dalàna ny nanalana ny tonia voalohany mpampanoa eo anivon’ny fitsarana tampony, mampisavoritaka an-toerana na ny « Raharaha Houcine Arfa », tantara ratsy ny fisian’ny kolikoly amin’ny fidirana amin’ny sekoly manofana ho mpitsara sy mpirakidraharaha […]

Laharam-pamorehana…

Laharam-pamorehana…

Taorian’ny Tetezamita, saika lasa teteza… miitatra: nambara ombieny ombieny fa maika avokoa ny zava-drehetra amin’ny fanarenam-pirenena sy ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka. Inona ny eo? Vao mainka ka miharatsy noho ny teo aloha ny raharaha: manjaka ny tsy fandriampahalemana, ny tsimatimanota, ny vahiny… Tsy vitan’izany, miseholany ny fivarotan-tanindrazana, gaboraraka ny harem-pirenena, mahazo vahana ny fandrobana tany, […]

Resa-behivavy…

Resa-behivavy…

Tsy hay ny tsy hiresaka mikasika ny vehivavy amin’izao andro natokana ho azy ireo izao. Tsy atao resa-behivavy (takoritsika, fosafosa, sns) akory izy ity fa famakafakana na fampahatsiahivana, raha ny marina kokoa, ny zava-misy iainan’ny vehivavy eto amintsika. Tsy fety ny andro androany na dia maro aza ny renim-pianakaviana sy ny tovovavy tsy namonjy toeram-piasana. […]

Aza manamarin-tena ê !

Aza manamarin-tena ê !

Raha amin’ny fiainana kristianina, ao anatin’ny karemy amin’izao fotoana izao. Fotoana fandinihan-tena sy hialana amin’ny ratsy fanao. Samy manana ny fahotany sy ny zavatra tsy nety nataony avokoa ny tsirairay ka mila miala, amin’izany. Tsy misy fahotana kely na fahotana be fa rehefa diso dia ilaina mibebaka. Na mpanao politika na olon-tsotra na mpivavaka na […]

Jambam-pahefana… mijabajaba

Jambam-pahefana… mijabajaba

Ho tapitra ihany ny fe-potoam-piasana, tsy afaka faran’ny lohany ny mpitondra: mitsapatsapa lava amin’izay atao, mijabajaba aza. Amin’izao farany izao: notsapatsapaina izay mety ho hevitra sy fihetsiky ny maro ny amin’ny fametraham-pialan’ny filohan’ny Repoblika roa volana mialoha ny fifidianana, raha mirotsa-kofidina izy. Natsidika amin’izany ny hoe mahazo miverina amin’ny toerany izy, raha tsy tafakatra fihodinana […]

Vitavita sy tsy hitahita ho azy amin’izao…

Vitavita sy tsy hitahita ho azy amin’izao…

Anisan’ny mampiavaka izao fitondrana izao ary tsy misy mahavita ny vitany tao anatin’ny 50 taona mahery ny fikorontanan’ny raharaham-pirenena: tsy fandriampahalemana, tsy fanarahan-dalàna, fivarotan-tanindrazana, fitsaram-bahoaka, fidangan’ny vidim-piainana, fahapotehan’ny fiainam-bahoaka, harem-pirenena gaboraraka, fanjakazakan’ny vahiny, tsy fisian’ny asa, ny fanjakan’ny tsimatimanota, kolikoly avo lenta… Samy efa nisy izany avokoa ny fitondrana nifandimby, fa mampitampim-bava sy mampiteny ny […]

Ampiharo ny lalàna raha fanjakana tan-dalàna

Ampiharo ny lalàna raha fanjakana tan-dalàna

Nihemotra ny laharan’i Madagasikara amin’ny lafiny ady amin’ny kolikoly. Singa iray ao anatin’ny fanjakana tan-dalàna ny kolikoly, fa mifandrohy amin’ny fampiharana ny lalàna ihany koa. Hita any amin’ny sehatra maro ny tsy fampiharana ny lalàna eto amintsika miseho amin’ny endriny maro, manaratsy endrika an’i Madagasikara. Raisina ohatra mibaribary ity fandringanana ny varika, biby arovana satria […]

Tsy misy tsy miaka-bidy…

Tsy misy tsy miaka-bidy…

Miakatra ny vidim-piainana … Ohatrinona marina? Tsy misy te hamaly izany, fa ny tsapa sy ny iainana isan’andro aloha no itarafana azy. Ireo manan-katao, heverina ho tsy hitam-pahavaratra ary tombanana ho manan’amby mandavan-taona aza, mimenomenona amin’izao fotoana izao. Mety tsy tena sahirana loatra, saingy nihena ny miditra na nihakely ny tahiry… Fa ny sarambambeny ity, miady […]

feno fitaka sy lainga

feno fitaka sy lainga

Raikitra ihany ilay fivoriana tsy ara-potoana ataon’ny Parlemanta: Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena, andinihina indrindra ny volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana ho avy. Tsotra ny hevitry ny HVM raha ny fahitana azy avy aty ivelany. Atao izay tsy hahafahan’ireo kandidà hafa maniry ny hofidiana ho filoham-pirenena, hilatsaka amin’ny fomba rehetra. Tsapa fa matahotra tanteraka izy ireo. Porofon’izany, […]

« … antsika daholo daholo daholo e ! »

« … antsika daholo daholo daholo e ! »

Ny nofony no nodimandry fa ny zava-bitany eo amin’ny tontolon’ny zavakanto, mitoetra hatrany. Ampahany amin’ny tononkira noforonin’i Tsilavina Ralaindimby ny « … Antsika daholo daholo daholo e ! ». Ny vahoaka io ambaran’i zokibe Tsitsy io fa tompon’ny basy    (… Satria ny miaramila mitana basy dia ny vahoaka no nipoirany), tompon’ny angady, tompon’ny saina, tompon’ny sandry, tompon’ny tany, […]

Matanjaka amin’ny halemena…

Matanjaka amin’ny halemena…

Tsy mitsahatra ny fahapotehan’ny fiainam-bahoaka. Mihamitombo, mihalalina… Mandra-pahoviana? Tsy misy inona azo anantenaina intsony amin’izao fitondrana izao; eny, na inona filaza, fanamarinan-tena, fampanantenana… Vao mainka mihasarotra aza ny tsy fandriampahalemana, ohatra, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fisian’ny asa, ny fandrobana tany, ny kolikoly… Inona no afitsoky ny mpitondra amin’izany? Vina any amin’ny taona 2030. Ny […]

Mba tsy ho sasatry ny miarina…

Mba tsy ho sasatry ny miarina…

Fitsapan-kevi-bahoaka hanitsiana ny lalàmpanorenana, fifidianana filohan’ny Repoblika, fampihavanam-pirenena… Inona koa? Tokony hifanazava sy hifameno ireo raharaha ireo hizorana ho amin’ny fitoniana sy fahamarinan-toerana hiatrehana ny tena fampandrosoana. Nefa tsy izany no mitranga sy iainana izao na tanisaina lava aza, fa ahiahy, fifampiandrasana kendry tohina, fifanomezan-tsiny… Nahoana? Manjaka tsinona ny paipaika sy kajikajy politika maloto. Hany […]

Fampihavanana… fanilihana « kandidà »

Fampihavanana… fanilihana « kandidà »

Efa zary fiteny hafahafa tato ho ato ny hoe: ny vazaha, mody miady; ny Malagasy, mody mihavana. Nahoana? Hatramin’izao, ifanenjanana sy ifanenjehana mafy ny amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana: aiza ihany? Eo hatrany ny tsy fifampitokisana sy ny fifampiandrasana kendry tohina, na inona filaza sy fanamarinan-tena afitsoky ny mpitondra. Andrasana izay ho vokatry ny fivoriana […]

… Henin-tsy tsaroana

… Henin-tsy tsaroana

« Aleo tsaroana tsy henina, toy izay henin-tsy tsaroana ». Mitamberina ao an-tsaina ity fahendren’ny razantsika ity, amin’izao vaninandro mampiroborobo fatratra ny fanatontoloana izao. Mbola voaporofo ao amin’io fehezanteny io fa olon’ny fo ny Malagasy, mandala fatratra ny fifankatiavana sy ny fifaneraseran’ny mpianakavy. « Aleo tsaroana tsy henina », izany hoe, tsaratsara kokoa ny tsaroan’ny havana na tsy manan-katolotra […]

Asan-jiolahy sa fanakorontanana fanjakana ?

Asan-jiolahy sa fanakorontanana fanjakana ?

Ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery no nametraka io fanontaniana io, nandritra ilay fandaharana « Fotoam-bita ». “Asan-jiolahy tsotra sa fanakorontanana fanjakana? Misy mantsy izany any amin’ny firenen-kafa”, hoy izy, mikasika indrindra ny raharaha kidnapping, izay nafanafana tato ho ato. Tsy afaka ny nangina intsony satria voaporitra na aiza na aiza ny fanjakana, mikasika ity raharaha ity. Raha zohina […]

Hadino ny tena… politika

Hadino ny tena… politika

 Mandevina ny maty. Izay aloha izao no mahamaika, taorian’ireny loza nahatsiravina, namoizana ain’olona fito sy naharatrana olona valo, vokatry ny fihotsahan’ny vatobe nitera-doza teny Ampamarinana ny faran’ny herinandro lasa teo.  « Loza voajanahary », hoy ny sasany. Ekena ! Misy maha marina azy ihany izany. Niaraha-nahita tokoa, tato ho ato, ny fijojon’ny orana sy ny fidaniky ny hainandro. […]

Dinika manokana… manakona ny marina

Dinika manokana… manakona ny marina

Efa tsy hita intsony izay hitondrana ny raharaha? Hanaovana dinika manokana amin’ny  fiombonamben’ny teratany indianina, hono, rey olona, ny amin’ny fakana an-keriny. Hitadiavam-bahaolana… Maninona tsy mba hanaovana dinika manokana eny ifotony koa, ohatra, ny amin’ny asan-dahalo, ny fandrobana tany, ny halatra taolam-paty… Misy ny zanak’Ikalahafa? Na mahamena-maso ny vahiny, fa tsy mba ahoana na tsy […]