Flash
Préc Suiv

Edito Taratra

Taitra ny olona tsy mba taitra…

Taitra ny olona tsy mba taitra…

Hitaona olona ho eny Antsonjombe koa ny fitondrana amin’ny asabotsy ho avy izao. Milaza fa hanao tatitra amin’ny vahoaka ireo olom-boafidy manohana ny fitondrana. Tsotra ny resaka, fa taiza ny tatitra natao tamin’ny mpifidy azy ireo nandritra ny fivoriana ara-potoana indroa isan-taona, nandritra ny efa-taona ? Inona ny tatitra natao tamin’ny vahoaka mikasika ny tetibola isan-taona […]

Fanehoan-kery foana

Fanehoan-kery foana

« Tsapao aloha ny herinareo… ». Nalaza io hafatra nataon’ny filoha teo aloha, Ravalomanana, io. Fantatr’izay tsy marivo fitadidiana ihany koa ny tohiny, taorian’izay « fitsapan-kery » izay. Tsy mbola nisy niova. Fifampitsapan-kery hatrany no misy eto hatramin’ny taloha ka hatramin’izao. Ireny ny hetsika tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna. Nampiseho hery ny mpanohitra, rehefa nahatsapa fa maro loatra ny tsy […]

Politika maloto, voretra…

Politika maloto, voretra…

 Voretra, tena voretra loatra ny mponina eny ambany tanàna. Asa, mahery loatra, mety hanafintohina ny sasany angamba izany, fa akory atao. Izay mihitsy ny mahalaza azy. Inona koa anefa no iholankolahana amin’izany e. Rehefa izay dia izay. Izay mbola tsy resy lahatra amin’izany, mandehana eo Ampefiloha, jereo sy diniho eo amin’ny ilany havia sy havanan’ny […]

Tsy fanarahan-dalàna izao…

Tsy fanarahan-dalàna izao…

Hirahirain’ny mpitondra amin’izao fotoana izao ny hoe ny fanarahan-dalàna ihany no hampisy fitoniana. Hatraiza ny fahamarinan’izany, raha ny afitsoky ny mpitondra tao anatin’izay efa-taona mahery? Fanamby nampievotrevotra, ohatra, ny hoe fanjakana tan-dalàna. Nanomboka tamin’ny fanolorana praiminisitra ny tsy fanarahan-dalàna, nahatonga tsy fitoniana sy tsy fahamarinan-toerana politika. Tsaroan’ny rehetra ny fifandroritan-dava ny amin’ny fampiharana ny And. […]

Mila fahatsiarovan-tena izao…

Mila fahatsiarovan-tena izao…

Toy ny isan-taona, tonga indray ny Pentekosta. Fahatsiarovana ny firotsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny mpianatry ny Tompo. Mby aiza izay fahatsiarovana izay? Mba tena ao anatin’ny finoana, fanantenana, fiainana… Misy ny very fanahy mbola velona amin’izao toe-draharaham-pirenena izao. Hanao ahoana ihany? Mbola saro-binanina be ihany ny raharaha, mahavalalanina sy mahafanina; eny, na eo aza ny tombantombana […]

Fahefana tsy misy hasina sisa…

Fahefana tsy misy hasina sisa…

 Hanao ahoana ihany no ho tohiny sy hiafaran’izao toe-draharaham-pirenena mbola tsy hita be ihany izao? Ho hita eo… Ny tsy takona afenina, tsy to teny intsony ny fitondram-panjakana: tsy eken-teny, tsy mahatanteraka izay lazainy. Na izany aza, mbola misy fahefana ihany? Na manana fahefana fa tsy misy hasina… Fahefana amin’ny sisasisan’ny herim-pamoretana tsy miaro ny […]

Milalao ny hoavy

Milalao ny hoavy

Tolona… Efa imbetsaka nitranga teto Madagasikara izany. Tolona ho an’ny fahafahana, ho an’ny tanindrazana, ho an’ny taranaka. Fanehoana fitiavan-tanindrazana mivaivay, sy fitsinjovana ny hoavin’ny taranaka ihany koa. Samy manana ny fandraisany azy anefa, ary samy nanana ny nampiasany izany koa. Mitohy ny tolona… Midika fa maty momoka, tsy nahitam-pahombiazana, ireo tolona natao taloha. Tsy tonga […]

Indraim-bava

Indraim-bava

Samia mieritreritra! Indrisy… Mampahonena ny zava-nitranga, tetsy Mahamasina, nandritra ny fizaran’ny fanjakana izay heveriny ho sahaza ireto valalabemandry, ny alatsinainy hariva teo. Nifarombahana izay hany sisa tsy lanin’ny mpanana, namonoana tena mihitsy ny fisisihana sy ny fitsimponana izay kely latsaka. Porofo miharihary ity tranga ity fa mahantra sy faraidiny ny vahoaka, izay toa tsy hitan’ny […]

Mamita-tena ny mpitondra…

Mamita-tena ny mpitondra…

Mamita-tena amin’ny alalan’ny vola  sy ireo fizarana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ireo sahirana izao fitondrana  izao. Mihevitra izy  ireo  fa hahatazona azy eo amin’ ny toerany ny fanambatambazana tahaka  izany. Sandaina vary sy menaka ary vola ireo vahoaka sahirana,  nanotrona ny Andro afrikanina ho an’ny fahasalamana  tetsy Mahamasina , omaly. Nokaramaina hilanja sora-baventy fanohanana […]

Ambadika politika… ambadika sy ambadika

Ambadika politika… ambadika sy ambadika

Inona marina ny fototr’izao raharaham-pirenena misaritaka izao? Eo ny amin’ny lalàm-pifidianana amboletra nolanina tamin’ny kolikoly. Tsy inona fa karazana pitik’afo nampirongatra ny fitakiana ranolava ny fametraham-pialan’ny filohan’ny Repoblika. Efa niotrika ela ny alahelom-bahoaka noho ny famoretana, fanampenam-bava, famadihana ny vahoaka amin’ny tsy fanajana ny teny nomena… Tsy izay lalàm-pifidianana intsony izany ny olana, fa ny […]

Olana ny tsy fahitana vahaolana

Olana ny tsy fahitana vahaolana

Inona marina no tena vahaolana mahomby sy azo antoka ary maharitra amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Arakaraka ny toerana misy ny tena io, ny zavatra hita amin’izany, ny fomba fijery, ny tombontsoa arovana na iadiana, ny tanjona kendrena… Na izany aza, tokony hisy ihany izay farafahakeliny iombonana sy mampiombona. Eo ny tanindrazana iaraha-manana, ny hoavin’ny taranaka… Aiza […]

Lalàn’ny hery, fa tsy herin’ny lalàna…

Lalàn’ny hery, fa tsy herin’ny lalàna…

Hatramin’izao, andrasana izay ho vokatry ny fanadihadian’ny Bianco ny amin’ny kolikoly  teny amin’ny Antenimierampirenena tamin’ny fandaniana ny lalàm-pifidianana… mampikorontana. Hanao ahoana? Hatramin’izao ihany koa, mbola misy ihany ireo depiote ahiahina na voasaringotra amin’izany no mampiaka-peo fa tsy misy izany kolikoly izany. Mba marina… ? Eo no mahasadaikatra, mahafanina, mahavalalanina… Raha tsy nisy tokoa ny kolikoly, […]

Filatsahan’ny Fanahy Masina

Filatsahan’ny Fanahy Masina

Hanao ahoana ihany ny hiafaran’ity krizy politika ity ? Mitobaka tsy misy farany ny fanehoan-kevitra, ny tolo-kevitra etsy sy eroa, na avy amin’ny eto an-toerana izany, na avy amin’ireo mpanelanelana vahiny nanao be fihavy tao anatin’ny andro vitsivitsy izay. “Tsy misy tsy voavahan’ny fifampidinihana”. “Tsy maintsy fifidianana ihany no hiafaran’izao”… Ekena, samy marina avokoa izany fa […]

Totohondry vola

Totohondry vola

Lalao madio ? Tsy misy amin’ny politika izany. Tsy misy amin’ny politika eto Madagasikara aloha, ary tsy hita antenaina ny mety hisiany any aoriana any. Tsy misy afa-tsy kapa vavaranjo, vely kibay, daka tsy hita maso fa indrindra, ny tsatoka antsy an-damosina no misy eto, raha resaka politika. Ny mpirahalahy omaly, nanjary mpirafy. Ny mpifahavalo fahiny, […]

Ny hery ihany no halemena…

Ny hery ihany no halemena…

Aiza ho aiza ny toe-draharaham-pirenena amin’izao? Politika io, arakaraka ny fifandanjan-kery… Ny tsy azo lavina, mbola eo aloha ny fitondrana: matanjaka, marin-toerana? Nandritra izay efa-taona izay, tsy nitsahatra nitady izay hahamarin-toerana sy hampatanjaka azy ny fitondrana. Izay nihetsika sy niteniteny rehetra, voasoketa ho manakorontana, manongam-panjakana… Tsy mahagaga raha niseholany avokoa izao karazana tsy fahombiazana rehetra […]

Alahelom-bahoaka, herim-bahoaka…

Alahelom-bahoaka, herim-bahoaka…

Niaingan’ny fidinana an-dalambe ny amin’ny lalàm-pifidianana amboletra, mampiady, mampikorontana. Lany tamin’ny kolikoly tsinona, tsy araka ny lalàmpanorenana, manome tombondahiny ny mpitondra. Tsy nijanona teo ny raharaha, fa tonga amin’ny fitakiana ny fialan’ny filohan’ny Repoblika. Nahoana? Eo ny « Raharaha 21 avrily », saingy voaviravira avokoa amin’izao ny tsy fahombiazana sy ny fahalovan’ny fitondrana: tsy fanarahan-dalàna, tsy fisaraham-pahefana, […]

Fitadiavam-bolan’ny besinimaro

Fitadiavam-bolan’ny besinimaro

Miditra tsikelikely, ao anatin’ny vanim-potoan’ny ririnina ny eto Madagasikara ankehitriny. Manomboka miha mangatsiaka araka izany ny andro. Tsy mba manangoly kosa nefa ny fiainan’ny firenena fa vao mainka aza, miha mafana vay sy miredareda. Hatreto, samy efa mahatsapa izay hafanana aterany izay, ny vahoaka rehetra noho ny tolona ataon’ireo solombavambahoaka ho an’ny fanovana. Hafanana, miteraka […]

Miankina amin’ny HCC ny raharaha

Miankina amin’ny HCC ny raharaha

Nametraka taratasy fiandry eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), ny 5 avrily, ireo depiote ho an’ny fanovana miisa 73, nitsipaka ny fandaniana amboletra ny lalàm-pifidianana… mampikorontana. Eo koa ny fangatahan’izy ireo ny fametraham-pialan’ny filohan’ny Repoblika, ny 15 avrily, fa tsy voajoro 12 volana taorian’ny fianianany ny Fitsarana avo (HCJ). Hatramin ’izao, tsy hita […]

Mila fandinihana lalina, fanapahan-kevitra malina…

Mila fandinihana lalina, fanapahan-kevitra malina…

Hanao ahoana ihany izao toe-draharaham-pirenena izao? Tsy hita be ihany aloha izay ho vahaolana: tsy mazava, tsy mampiombona, tsy azo antoka… Ny lalàm-pifidianana bontolo nolanina amboletra no fototra sy fositra. Mby aiza? Andrasana izay ho fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC): hanaiky sa tsia ny fangatahan’ireo depiote ho an’ny fanovana ny fialan’ny filoham-pirenena […]

Herinandro hafanafana…

Herinandro hafanafana…

Hanao ahoana ihany ny ho tohiny sy hiafaran’izao toe-draharaham-pirenena izao? Mbola mampanahy be ihany: ao ny manantena fa hivaha sy hilamina vetivety ny raharaha, ao ny manahy tena fa mihasarotra izany. Mandra-pitrangan’izay hitranga, tombanana hanova zavatra ity herinandro ity. Eo aloha ny fampihaonan’ny FFKM ireo mpisehatra politika. Hitondra ho amin’ny famahana olana izao krizy politika […]

Izay araka ny lalàna ihany aloha…

Izay araka ny lalàna ihany aloha…

Hanao ahoana ny hiafaran’izao raharaha izao? Hetsi-bahoaka, vokatry ny fiaretana hatramin’izay. Fifampidinihana momba ny lalàm-pifidianana mampifanditra no mahatonga izao korontana izao, ohatra, sa fampiharan-dalàna ny amin’izany? Andrasana izay ho fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny lalàm-pifidianana bontolo sy nolanina tamin’ny alalan’ny kolikoly: hatao fahoany fahoany ihany sa haverina tanteraka ny fandinihana sy […]

Folaka ihany ny anao ô !

Folaka ihany ny anao ô !

Jadona sy fanampenam-bava. Izay ny nitondran’ireo mpitarika ny HVM nandritra ny efa-taona. Raha vao misy mikasa hamory vahoaka, tsy mahazo alalana na ravan’ny hery famoretana amin’ny fomba rehetra. Feno anefa ny kapoaka, ny asabotsy lasa teo, nitroatra ny vahoaka. Vokany, tsy hanaraka baiko tsy mifanaraka amin’ny asany intsony ny tafika, zandary ary polisy. Toy ireny […]

Ilay lavaka tsy omby tondro…

Ilay lavaka tsy omby tondro…

Raha afaka mihaino re, aleo tsy manentsin-tadiny. Raha afaka misaina, aleo mandalina ihany. Marina, maro loatra ny ierehana ho an’ny manana andraikitra ambony amin’ny firenena. Tsy afaka manaraka amin’ny antsipiriany ny zava-mitranga amin’ny firenena ny olona iray. Izany kosa anefa ny hananana olona maromaro, manodidina ny mpitondra: mpanolotsaina, mpiandraikitra isan-tsokajiny, mpanatanteraka, sns. Fa manao inona […]

Ny vahoaka ihany no erany…

Ny vahoaka ihany no erany…

Betsaka ny fanontaniana mipetraka, manoloana ny toe-draharaha iainan’ny firenena, ankehitriny. Ny voalohany indrindra amin’izany, ny hoe tsy mba nahay naka lesona, tamin’izay efa nihatra tamin’ny teo aloha, ve ny mpitondra ankehitriny ? Navela hilatsaka ny rà, na azo nosorohina aza izany. Raha tsy nijoro, mandà ny kolikoly sy ny tsy rariny ary, indrindra, ny tsy ara-dalàna […]

Samy manana ny mahamaika azy

Samy manana ny mahamaika azy

Manoratra tantara vaovao indray ny firenena malagasy, manoloana ny zava-mitranga ankehitriny. Efa kihon-dalana tsy azo ihodivirana sa mbola azo iverenana ihany? Mety samy hilaza fa eto Antananarivo ihany ity hetsika ity fa tsy ny Malagasy rehetra akory, satria tsy mahenika ny faritra 22. Marina izany, fa ny mety hiitarany any amin’ny faritra hafa no ahina. […]