Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Edito Taratra

Mba hataovy matotra e !

Mba hataovy matotra e !

Andro vitsy izay no lasa tamin’ny fotoana fampielezan-kevitra amin’ity fifidianana filoham-pirenena ity. Samy manao izay heveriny ho mety, na amin’ny toerana nosafidina haleha, amin’izao fiandohany izao, na amin’ny paikady enti-mandresy lahatra ny vahoaka, na amin’ny fitaovana ampiasaina ho fanatrarana izany… Samy manao izay tratry ny volany. Toy ny mpijery baolina ny vahoaka, mitazana ny fihetsika […]

Loza mitatao ! 

Loza mitatao ! 

Miova tokoa ny toetr’andro. Raha taona maromaro lasa izay, zara raha nisy ny rotsak’orana amin’ny fanombohan’ny volana oktobra, nitsimbadika izany ankehitriny. Nitondra hatsiaka mihitsy ny fiavian’ny orana ka nahazo aina kely ny mponina an-tanàn-dehibe, sempotry ny hafanana, ny fofon’ny fako tsy voaraoka intsony, ny tabataban’ny fampielezan-kevitra, ny fitohanan’ny fifamoivoizana toy mihamafy hatrany. « Tsy mbola fahavaratra […]

Fifidianana mafotaka

Fifidianana mafotaka

Tonga tokoa ny fahavaratra ! Fotoana hiavian’ny orana, ahitana ny tranga samihafa mifanaraka aminy. Mifanojo amin’izany ity fanombohan’ny fampielezan-kevitra mifanaretsaka eran’ny tanàna sy ny faritra ity. Samy manao izay ho afany ny kandidà tsirairay, ary tsikaritra fa tsy mifampitsitsy, miezaka manatsara ny endriny eo imason’ny mpifidy. Hafana satria efa hita soritsoritra ny santionany, toy ny fifampitsikerana […]

Fety sy fitaka be izao

Fety sy fitaka be izao

Manomboka ny fety, manomboka ny fety. Izay ny azo ilazana ny fandiavana ity volana oktobra ity, efa miditra sahady amin’ny herinandro faharoa. Ao anatin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra, ho amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ihany koa ny eto amin’ny firenena. Mangingina sy tsy maharototra loatra ny vahoaka ny andro roa voalohany, nanombohany izay. Eny fa na misy aza […]

Aleo hilamina…

Aleo hilamina…

Raikitra izany izao ny fampielezan-kevitra… Hanakoako any an-dohasaha sy ny tanety, hatreny an-tanana sy an-dalambe ary amin’ny kianja malalaka rehetra eny, ny kabary, ny hira sy ny fanentanana samihafa, otronin’ny mpanakanto. Arahin’ny fampanantenana izatsy sy izaroa izany satria hita sy re ary heno avokoa fa izao ny olana sy ny hetateha ary ny fanirian’ny vahoaka. […]

Gaboraraka, kiantranoantrano…

Gaboraraka, kiantranoantrano…

Tsy mety tapitra ny resabe mikasika ilay hoe hanoloana, na hanavaozana indray ny “permis biométrique” sy ny “carte grise biométrique” ho tena manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Isan’andro, mavaivay ny fanehoan-kevitra mitsikera ny tompon’andraikitra nisahana izany, any anatin’ireny tambajotra sosialy ireny sy amin’ny alalan’ny antso an-telefaonina re amin’ireo radio samihafa. « Tena fandrebirebena izao ! », hoy ny sasany. […]

Fanaovana tsinontsinona !

Fanaovana tsinontsinona !

Anjakan’ny kolikoly sy ny gaboraraka ary koa ny tsy fahaiza-mitantana ny fitondrana eto. Zary afa-bela fotsiny ny tompon’andraikitra nefa nanalika vahoaka sy nanao tsinontsinona  ireo nikarakara « carte  grise » sy « permis ». Efa nandany vola sy fotoana teny Ambohidahy tamin’ny fanaovana ilay hoe karatra biometrika teo aloha ireo nanao  izany.  Nohitrikitrihin’ireo tompon’andraikitra tamin’izany teo ambany fitarihan’ilay efa […]

Gaboraraka…

Gaboraraka…

Asa na variana amin’ny fanomanana fifidianana ny tompon’andraikitra samy hafa eto amin’ny tanàna fa hita fa gaboraraka tanteraka ny zava-misy eny rehetra eny. Samy manao izay tiany ny rehetra, manao izay danin’ny kibony ny mpanendaka, ny mpangarom-paosy, ny mpanabanaka finday, sns. Gaboraraka, noho izany, ny fivarotana ireny entan’olona, na findain’olona very, ireny amin’ny faritra maro […]

Mahitsy ambadika !

Mahitsy ambadika !

Hafahafa ihany ny maheno izany, saingy tena misy tokoa. Mahitsy tokoa ry zareo vahiny ireto raha hanampy an’i Madagasikara. Amin’ny lafiny maro mihitsy fa tsy zava-tokana araka ny iheveran’ny sasany azy. Fanomezana omena ny Malagasy, ao ny tsy haverina fa misy kosa ireo trosa mitatao eo ambony lohan’ny taranaka faramandimby. Mila hevitra handaminan-draharaha ny samy […]

Sarobidy ny safidy

Sarobidy ny safidy

Manomboka tsikelikely ny adihevitra mikasika ny fifidianana. Malalaka ny fanehoan-kevitra, saingy ilay hevitra tohanana, indraindray, no “hafahafa”, na tsy misy mihitsy. Tsikaritra izany any amin’ny tambajotran-tserasera samihafa any. Safidy moa io, tsy misy ifanomezan-tsiny, saingy tsy tokony hohadinoina fa sarobidy izany. Ny safidinao no hampitombo ny isam-bato, mety hahalany ny kandidà heverinao fa hampandroso ny […]

Famendrofendroana…

Famendrofendroana…

Vavan’ny tsy manan-katokona sy lany bala, ka ny eo ihany no averimberina. Izay no azo ilazana ireo antoko, na vondron’olona mbola mihirahira sy midradradradra hatrany ny amin’ny tsy tokony hirosoana amin’ny fifidianana. Ny fifidianana filoham-pirenena izany. Tsy any intsony, ary efa tsy tokony ho izay intsony anefa ny resaka, raha ny fandehan’ny toe-draharaha ankehitriny. Tsy […]

Roso tsa mipody koa…

Roso tsa mipody koa…

Tsy azo ihodivirana fa roso tsa mipody koa ny fifidianana. Na tsy tena feno tanteraka avokoa aza ny fepetra rehetra, tsy tokony hiseho intsony ny sakana. Mandeha ny mandeha… Mandeha ny fanomezan-toky avy amin’ny tompon’andraikitra mpikarakara. Tahaka izany koa ireo rehetra voakasika izany. Hatramin’ny avy any ivelany aza, mahita fa miroso isika… Na izany aza, […]

Hitohy ve ny tetipivoarana? 

Hitohy ve ny tetipivoarana? 

Efa nirosoana ny fanavaozana ny fanabeazana eto amintsika, nanomboka tamin’ity taom-pianarana ity 2017-2018 ity. Nahemotra isan-taona ny fisantarana ny taom-pianarana ka ny volana novambra vao hiroso amin’izany ny sekolim-panjakana sy ny tsy miankina izay manaraka ny rafi-pampianarana malagasy. Tanjona ny hanemorana izany miandalana ka hahazoana ny fidirana ny volana marsa ny taona 2022, araka ny […]

Ny iray, maka bahana; ny telo, efa lasa…

Ny iray, maka bahana; ny telo, efa lasa…

Raikitra! Efa mirona tanteraka any amin’ny fampielezan-kevitra isika, na tsy mbola ao anatiny aza. Tsy misy fanemorana ny fifidianana izany intsony, raha tsy hoe misy sompatra hafa tsy azo anoharana angaha. Ny pesta manangasanga no natahorana hanakana ny fifidianana noho ny fitoriana sy ny hetsika nandamoka nataon’ireo mpanao politika sasany. Mampanahy, saingy tsy mbola atahorana […]

Ho tanteraka ny nofy

Ho tanteraka ny nofy

“Aza variana amin’ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso”, hoy ny fiteny. Mazava izany! Fantatry ny tsirairay tsy mila fanazavana lalina ny hoe “andanavandrom-piainana”. Mpahazo antsika tokoa, ny mieritreritra ny ampitso, ny manofy, ny manana faniriana sy ny fanantenana amin’ny endriny samihafa, hanatsara kokoa ny fiainana rahampitso mihoatra amin’ny anio. Amin’iny variana iny no […]

Aleo hitsara ny tantara…

Aleo hitsara ny tantara…

Hanao ahoana ihany ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ny 7 novambra? Iray volana mahery sisa… Amin’izany, eo hatrany ny fanatsatsoana sy ny fanapepoana, ny fanoherana sy ny fanakanana, ny fiandrasana kendry tohina… Tsy mampiombona tokoa ny fifidianana fa fifanalana hazakazaka ka samy manao izay afany sy efany? Izay hita sy re rehetra, toa inona avokoa; eny, […]

Tsy misy afa-tsy fifidianana izao… .

Tsy misy afa-tsy fifidianana izao… .

Tsy misy afa-tsy fifidianana ny vaindohan-draharaha sy mahamaika amin’izao? Na izay no hoe antom-pijoroan’ny governemanta amin’izao… Toa hadino sy tavela ho azy ny fiainan’ny vahoaka ifotony, indrindra izay manahirana sy mampikaikaika azy isan’andro. Lehibe sy voalohany amin’izany, ohatra, ny tsy fandriampahalemana: tsy an-tanàn-dehibe, tsy any ambanivohitra, tsy an-dalam-pirenena aza. Miara-dalana amin’izany ny fandrobana tany etsy […]

Dina… vinavina hitsarana kandidà  

Dina… vinavina hitsarana kandidà  

Tsy misy na tsy ampy ny lalàna, tsy hajaina na tsy ahoana? Na tsy misy izay etika sy fitsipi-pitondran-tena amin’ny fanaovana politika, indrindra amin’ny fiatrehana fifidianana. Kibo mitsara tena ny tsirairay, indrindra ireo mpanao sy mpilalao politika. Na ahoana na ahoana: misy zava-mandringa mety mamandrika, matoa mivoaka amin’izao ankatoky ny fifidianana izao ny hoe dina […]

Tsy kely lalana ny ratsy,  ratsy lalana ny kely…

Tsy kely lalana ny ratsy,  ratsy lalana ny kely…

Mizotra sy tsy miverin-dalana intsony ny fanatanterahana ny fifidianana amin’izao? Eny, na eo aza ny karazana fanahiana korontana, fampitahorana ny mety hisian’izany, fitakiana fanemorana. Na izany aza, misy hatrany ny mihevitra sy manao izay hisakanana izany, na amin’ny alalan’ny resaka zary tsaho ihany aza, ohatra: misy fanafarana sy fanaparitahana fitaovam-piadiana, hono, amin’izao. Marina? Mila fanadihadiana […]

Fiandrianam-pirenena… fahaleovantena

Fiandrianam-pirenena… fahaleovantena

  Mampanahy, mampatahotra… Tsy inona fa ny resaka nandeha, tato ho ato, izay: misy ny manafatra fitaovam-piadiana, nefa mibanaka ny fidiran’izany an-tsokosoko. Inona ny marina? Mila fanadihadiana: iza na inona ny ao ambadika? Misy ny manafatra sy mandray, ao ny mpandefa sy mpamatsy. Firaisana tsikombakomba eo amin’ny teratany sy ny vahiny? Manampy trotraka ny efa […]

Tsy izay fampandrosoana fa ny fahapotehana…   

Tsy izay fampandrosoana fa ny fahapotehana…   

Ho tanteraka ihany ny fifidianana? Mba tsy hisy korontana mialoha sy mandritra ary aorian’izany. Andrandraina ny fiovana sy fanovana. Mandeha ny zotram-pifidianana; eny, na eo aza ny fitakiana etsy sy eroa ny hanemorana izany, ny fanahiana sy fampitahorana amin’ny mety hisian’ny korontana… Hiaraha-mahita eo… Na ahoana na ahoana, tofoka sy vizana amin’ny toe-draharaha nandritra izao […]

Tsy fandriampahalemana… tsy zaka intsony

Tsy fandriampahalemana… tsy zaka intsony

Tsy andro tsy alina, tsy an-tanàn-dehibe tsy any ambanivohitra, tsy an-dalam-pirenena… Izay ny tsy fandriampahalemana mampikaikaika ny maro amin’izao. Tsy lahy tsy vavy, samy manao ny ataony, misy mpitandro filaminana aza. Arakaraka ny fahantomoran’ny fifidianana no mahamafy sy mampitombo izay? Mampiteny ny moana, mampitampim-bava izay afa-miteny… Ao ny mandika na mamadika izany ho misy ambadika […]

Tsy ny hasin’ny fahefam-panjakana ihany…

Tsy ny hasin’ny fahefam-panjakana ihany…

Miady mafy amin’izay hamerenana ny hasin’ny fahefam-panjakana ny governemantan’ny marimaritra iraisana amin’izao fotoana izao. Misy ny fitetezam-paritra sy ny fidinana ifotony amin’izany. Vitan’ny fifampidinihana ve ny raharaha? Na ny fanomezana baiko, fanaraha-maso… Ho hita eo! Tsy ny hasin’ny fahefam-panjakana ihany tsinona no very amin’izao fa tsy hita be ihany koa mbamin’ny fitondram-panjakana na ny mpitondra: […]

Tany misy fanjakana, hono…

Tany misy fanjakana, hono…

Tany misy fanjakana eto, raha ny nambaran’ny mpitondra mpisolo toerana. Tampohin-javatra? Fahefana raha ny marina… Na tahotra sy tsy fahatokisan-tena, ka ny an’ny tena no atao tonga aloha: fampitandremana, fampitahorana aza. Tsy nisy fanjakana, angaha, teto hatramin’izay, raha tsy hiteny afa-tsy izao Repoblika IV izao? Iaraha-mahita, iaraha-miaina… Manao ahoana? Fanjakana tsy tan-dalàna; amin’izao farany izao […]

Kandidà… mpikarama an’ady

Kandidà… mpikarama an’ady

Tsy vaovao fa efa hita sy fantatra ary miharihary ny fisian’ny kandidà… mpikarama an’ady. Sarobabay: izay voa, aza tezitra. Ao ny manao fitadiavana ny firotsahan-kofidina: ny ampahany vola azo ihany no anaovana sarintsarina fampielezan-kevitra, tetehina hamidy amin’ny fihodinana faharoa ny taim-bato kely mba azo… Tsy vitan’izany, misy ny manao takalo sy tamby fotsiny izao ny […]